Fampidirana tononkalo

Teboka folo tsotra raha hampiditra tononkalo.

 

1. Mandeha ao amin'ny http://vetso.serasera.org 

2. Rehefa tafiditra ao dia mandeha eo amin'ilay hoe "Hampiditra Tononkalo" (hitanao etsy ankavia)

3. Rehefa angatahany ny solonanarana sy tenimiafina dia ampidirina ilay anao. Raha tsy mbola manana ianao dia midira aloha ao amin'ny http://login.serasera.org na koa ampiasao ny compte Facebook-nao

4. Rehefa misokatra ny fampidirana tononkalo dia jereo raha efa eo amin'ny mpanoratra ny anaranao. 

      - Raha eo dia mandehana eo amin'ny teboka 8. etsy ambany

      - Raha tsy eo dia tohizo amin'ny teboka 5. eto ambany

5. Raha tsy mbola anaty lisitry ny mpanoratra ny anaranao dia tsindrio ilay hoe "Hampiditra mpanoratra"

6. Misafidiana hoe "Ianao ihany" sa "Mpanoratra hafa" dia fenoy

7. Miverena amin'izay amin'ny teboka 2. etsy ambony hoe Hampiditra tononkalo

8. Ampidiro ny lohatenin'ny tononkalo, misafidiana mpanoratra (na ianao na mpanoratra hafa)

9. Ampidiro ny tononkalo (raha toa ka mbola tsy tianao hivoaka ho hitan'ny olona dia safidio ilay hoe Vakiraoka)

10. Tsindrio ilay hoe "Alefa" ery ambany

 

Hery