Antsa an'onjam-peo no kalo

NY TETIK’ASA

Ny tanjon’ity tetik’asa ity dia ny hampahalala ny mpanoratra tononkalo Malagasy rehetra na mpikambana anaty fikambanana na tsia .

Ity tetik’asa ity dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny takelaka  www.radiovazogasy.com sy ny vetso.serasera.org ary ny trano fandraisam-peo www.studiodiffusion.com

NY FOMBA FIASA

Fiaraha-miasa amin’ny vetso.serasera.org

Alefa mialoha ao amin’ny takelaka vetso.serasera.org ny tononkalon’ny mpanoratra farafahakeliny dimy 

Alefa miaraka amin’izay ihany koa ny mombamomba ny mpanoratra (arahina ny drafitra*) sy ny sary

Fiaraha-miasa amin’ny www.studiodiffusion.com

Mitafatafa sy milazalaza ny momba azy mandritra ny folo minitra eo ny mpanoratra

Miantsa sy mamaky ny sangan’asany izay tiany (dimy farafahabetsany) ny mpanoratra

Manao fandraisam-peo ao amin’ny “studio diffusion “ ny mpanoratra ary ampiarahina amin’izay hira tiany izany.

Atao ao amin’ny trano fandraisam-peon’ny “Studio diffusion”  ao Andravoahangy ny vakiraokan’ny fandraisam-peo fa aty Paris kosa no atao ny fandravonana sy ny famaranana ny raki-peo avoaka amin’ny takelaka

Isaky ny alatsinainy tolakandro no fanaovana ny fandraisam-peo. Mandoa vola ny andro hafa.

Fiaraha-miasa amin’ny www.radiovazogasy.com

Rehefa vita ny fandraisam-peo dia avoaka amin’ny www.radiovazogasy.com ny raki-peo , ary ny www.radiovazogasy.com no manao ny fampahalalana sy ny fampilazana ny mpihaino

FANDRAISANA ANJARA

Maimaim-poana daholo ny fandraisana anjara , fa ilaina ihany kosa ny fahamatorana sy ny fanajana ireo rafi-pikarakarana , hahatomombana ity tetik’asa ity.

* tsindrio eto ahitanao ny tolo-drafitry ny lahatsoratra