Momba ny takelaka

Ity takelaka ity dia natao hampahalalana ireo tononkalo sy mpanoratra malagasy rehetra eran’izao tontolo izao.

 

Zarao eto ny alahelo nokotrehim-po voadona

Zarao eto ny hadisoana rehefa iny ianao nifona

Zarao eto ny hatezerana, sy ireo otri-balifaty

Dia hihamaivana ianao, raha mivoaka ireo tsy tanty

 

Zarao eto ny hafaliana, mampitsiky izany tava

Zarao eto ilay fitia, mampisioka izany vava

Zarao eto izany vetso sy embonembona fitia

Dia ho faly ny tontolo, ka an-tsiky no miria

 

Zarao eto ny hetaheta, ao anatinao mangina

Zarao eto izany nofy, sy hasambarana ho zina

Zarao eto ireo kinasa, novetsoina hotanteraka

Dia hisinda avokoa ireo asa saina izay mandreraka

 

Zarao eto ireo fijery, sy fahitanao ny tontolo,

Zarao eto na dia hevitra, heverinao fa hoe bontolo

Zarao eto ny fisaina, fibanjinanao ny ho avy

Dia hivadika traik’efa, lesona ho an’ny mpianakavy

 

Zarao eto ireo kanto, nataonao tsiambararoa

Zarao eto ireo talenta, ho soratra sy masoivoho

Zarao eto ireo fahaizana, izay harenanao miafina

Mba ho kanto malagasy, irin’ny sasany ho tahafina

 

Raozigasy 27/05/09

 

Raha te hifandray amin’ny mpikarakara ianao dia aza misalasala manoratra amin’ny haja@serasera.org  na hery@serasera.org