Hampiditra sary Nampiditra : ANJARA7
Daty : 05/07/2009 12:49
Nijery : 2585
Tononkalo: 16 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

ANJARA7

IZY ILAY FITIAVANA
Fitiavana iray fitiavana tokoa
Ilay fitia madio,tsy voatery ho an'olondroa
Fitia iray tsy manampetra ntsy voasanda volabe
Moa mba fantatrao va re lay fitia agape?

Fitia iray nanaiky ho lavo,
Nahafoy ny tontolo,
Noesoina nohamavoina
F'ilay fitia tsy ho bobongolo

Fitia iray nanetry tena,
Saingy hitondra fandresena'
Ka katsaho sy irio'
Ndeha arao ka fidio

Raha mifoha ny maraina ,
Dia ny lanitra andrandraina,
K'ilay masoandro omeny anao'
Io lay fitiavany ka derao

Raha mamely ny devoly
'Ka mandroso manangoly'
Dia lay fitiavana madio
No hiaro anao tsy ho voly

Eny raiko raha izaho,dia mivoady aminao
Fa ahatsiaro lalandava fa fitiavana ianao
N'inona n'inona midona na ny lanitra ho manga
Ilay fitiavanao ahy dia hinoako fa tsy banga
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/anjara7
Hevitra farany
ANJARA7 ( 11/02/2010 09:19)
raha mifoha maraina izahay dia tsy afaka ao ambavanay ny hoe AMPY HO ANAY NY FAHASOAVANAOmankasitraka dia ho ela velona anie sera2 e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161