You are here: home > Vetso

Bichette

Namana

Hevitra mandeha

bichette (20/04/2006 09:16:03)

FO IRAY

Ianao nanambatra fo roa ho iray
Eny Jesosy Ianao no nampiaraka anay
Nanolotra ny sahaza ho an’ny tsirairay
Ka Aminao no hitoeran’ny fanantenanay

Eo ampelatananao ny andronay
Ny ho avy, ny fanirianay
Ny lalana rehetra mbola ho diavinay
Satria Ianao no hany hitokianay

Indreto izahay ry Jesosy Tompo
Mankalaza ny anaranao, eran-tsaina eram-po
Miara miholy ny fahalebiazanao
Amin’ny fo feno fifaliana, sy fitiavana
Entinay hiderana anao, Ry Kristy
Zao fiarahana mahafinaritra izao
Ampianaro izahay fa tsy mahay mitia
Ho mendrika eo anatrehanao

Ampio izahay amin’ny ady hatrehanay
Hijoro hatrany manoloana ny fahavalonay
Ankinina aminao ny taranakay
satria Ianao no hany fiarovanay

(hira)

Bichette

Hametraka hevitra

Midira aloha