Hampiditra sary Nampiditra : ckassie
Daty : 16/07/2010 07:18
Nijery : 1646
Tononkalo: 1 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

ckassie

Sombin'aiko
Very aho ankehitriny
Tsy aiko izat atao aminao r'ilay tsy manan-tsiny
Tampo-dala-kaleha ity reninao
Nefa izaho 'ty tsy mahafohy anao

Ilay rainao dia tena tianao
Malahelo mafy ny hamonoana anao
Saingy 'lay raibe kosa tsy mitsinjo anao
Manesika foana ny hanalako anao

Fa nahoana re ianao ry dada malala?
No tsy mihevitra ankory an'izay hiafarana?
Fa toa fandatsana sy fitsikerana
Ka kepoka sy tomany ity fo feno fahotsana

Silafaka ny fiainako
Tsy misy fitsaharana
Very ny fiainako
Misaina ity fiainana

Fa fanina tanteraka aho tsy afaka hitraka
Ny faharesena no hany latsa-paka
Maizina ny tany
toa feno tomany
Toa rahona foana mameno ny ankany?

Sombin'aiko mitenena
Bitsiho amiko ny fandresena
Mijaly 'ty reninao
Fa inona ny atao?

Tompo รด! mino aho fa misy ianao
Ankhitriny, mavesatra 'ty zanakao
Vonjeo re fa mijaly
Ka mitady andao ny fiainana an-tany

Nosoratana tamin'ny 13/07/10
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/ckassie
Tononkalo ( 1)

Tsy misy tononkalo hita.

Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany
ckassie ( 16/07/2010 07:20)
tantara ana ankizivavy iray bevohoka ka noforisen'ny rainy hanala zaza!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092