Nampiditra : Moundzee
Daty : 30/11/2006 13:08
Nijery : 6378
Tononkalo: 5 Jereo eto
Mankafy : 2 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Clarisse Ratsifandrihamanana

Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/clarisse-ratsifandrihamanana
Hevitra farany
andry 1000 ( 24/04/2015 04:39)
Teraka ny : 5 desambra 1926 tao Fenoarivo- Atsinanan
Nanomboka nanoratra ny taona 1960. Mpikambana ao amin’ny UPEM sy tao amin’ny Akademia Malagasy.
Mpanoratra tononkalo izay tena manavanana azy, tantara foronina ary angano.

Loka :

– Sarinda, loka faharoa nomen’ny Antenimieran’ny Tanànan’Antananarivo tamin’ny Tononkalo- 1960
– Salohy, amboaran-tononkalo- 1961
– Fahavaratra, loka natolotr’i Akbaraly – 1960
– Lavakombarika, fifaninanana sombintantara nampanaovin’ny Fikambanana Demôkratika
– Tamberintany, loka voalohany tamin’ny fifaninanana nampanaovin’ny AEJM – 1961
– Ny zanako, lokam-boninahitra tamin’ny fifaninanana tantara foronina nampanaovin’ny Sendikan’ny Mpampianatra Malagasy.
– Velan’angano, loka tamin’ny fifaninanana tantara an-dampihazo nampanaovin’ny Ministeran’ny Zava-kanto
– Tany vao, loka tamin’ny fifaninanana tantara foronina
– Aritory, Don-tokana, Ratompokovavy, Ainga sy Antso, angano am-polony maro toy ny Irojo tsy nety afa-po, … (natolony ho an’ny zafikeliny)

Nodimandry tamin’ny faha- 61 taonany, ny 28 jona 1987
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108