Nampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 11/05/2019 05:48
Nijery : 2394
Tononkalo: 40 Jereo eto
Mankafy : 2 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Fidy Art Niaina

MOMBAMOMBA:
ONJANIAINA Aubertto Sanders no tena anarany. Teraka ny Talata 10 Janoary 2000 tao Befelatanana Antananarivo.
Nanomboka nanoratra ny taona 2014. Nitondra solon'anarana telo teo anivon'ny literatiora Malagasy:
>Ademar Mivetso (2014),
>Onas Fidar (2015),
>Fidy Art Niaina (2016)
ary samy entina avokoa ireo ankehitriny.

FIKAMBANANA:
>Filoha mpanorina ny MALAMA na MALAgasy MAnoratra ny taona 2017.
>Mpikambana mahefa ao amin'ny AJ2A: Association des Jeunes et Artistes d'Anosibe ny taona 2017.
>Nitantana ny fikambanana ANKIZ'Art etsy Anosy nanomboka Jolay 2020.

SEKOLY NIANARANA:
>2005-2010: Sekoly Saint Augutin Anosibe
>2011-2014: Kolejy Masindahy Josefa Mahamasina
>2014: nandalo teo amin'ny Seminarista Ambohipo
>2015-2017: niverina tao amin'ny Kolejy Masindahy Josefa Mahamasina
>2019: Ecole Superieure de la Multimedia Ampandrana

ASA SORATRA:
>TONONKALO SY RIANKALO: Ny taona 27 Martsa 2021 izy no nankalaza ny fahafito taona nanoratana, izay efa nanana tononkalo sy maherin'ny 800isa izay voarakitra tao amin'ny boky VETSO I hatramin'ny VETSO VII
>SOMBIN-TANTARA: tao anatin'izay fito taona nanoratany izay dia nahavoasoratra sombin-tantara miisa 12 izy, ohatra "Volana tratr'andro", "Gasy mpitazana", "Tambazotra aloka"... izay natambatra ao amin'ny boky "TARAM-PAHAZAVANA I"
>TANTARA FORONINA: nandritra izay dimy taona izay dia tantara foronina roa no voasoratra, dia ny GEJAM-PIAINANA sy ny HAZAVANA ROA SOSONA

Tsara ny manamarika fa tao anatin'ireo asasoratra ireo dia nisy tamin'ny teny vahiny, ohatra ny tononkalo"La reigne de mon coeur" izay tamin'ny teny Frantsay, ny boky sombin-tantara BECAUSSE I LOVE YOU izay amin'ny teny Anglisy

MPANORATRA ANKAFIZINY SY AKAIKY AZY:
Raha teo amin'ny mpanoratra taloha dia ry Jasmina RATSIMISETA, Samuel RATANY ary J.J.RABEARIVELO no tena ankafiziny
Raha eto amin'ny mpanoratra ankehitriny kosa dia ry Tsiavahana Rahely sy Om-Gui ary Ny Iraka RAMBOLAMANANA no tena ankafiziny.
Ny raibeny dia mpanoratra sady mpilalao tantara an-tsehatra: RABEMIAKATRA Louis,
Ankoatran'izy telo mirahalahy voalaza tetsy ambony dia maro koa ny mpanoratra niara-niasa sy tena akaiky azy toa an'i Nia'h Harilala, Sanda nomena, Iako Faridah, Haintso Natiora,...


ZAVAKANTO HAFA:
>Mpanao tantara an-tsary ihany koa ny tenany (dessinateur) ary efa nahavita boky iray: LES AVENTURE DE "VONONA".
>2014: Nanangana ny TARIKA VALA'ART niaraka tamin'i Fyoh Niaina izay mivoy ny gadona Country, Vice-leader izy sady Auteur/Compositeur.
>2015: Nanangana ny TARIKA FIDAR HARD ROCK, Leader sady Auteur/Compositeur.
>2018: Mpilalao horonantsary Team EO ARA OE tao ami'ny Tv Plus Madagascar.
>2019: Niditra tao amin'ny TARIKA ARRANTEE, mitana ny toeran'ny feo lafika sady Auteur/Compositeur.
>2020: Isan'ny nanangana ny TARIKA RAL.

ASANY:
> Mey 2018: Nilalao horonantsary "EO ARA HOE" tao amin'ny TV Plus Madagasikara.
> Jona 2018: Niditra Bénévole tao amin'ny ENDA TIERS MONDE izay miahy sy manabe ireo zaza kamboty sy ankizy tsisy mpiahy.
> Oktobra 2018: Mpanentana tao amin'ny Antoko Tiako I Madagasikara, avy ao amin'ny sampana Jeunes Team Event's.
> Janoary 2019: Nilalao tantara an'onjampeo sy tompon'andraikitra fandaharana tamina onjam-peo tsy miankina iray.
> Oktbra 2019: Nampianatra Tononkalo tao amin'ny Ecole Privé Le Premier Anosibe.
> Novambra 2019: Monotoring SRMV avy amin'ny KMF/CNOE nandritra ny fifidianana ben'ny tanàna.
>Janoary 2022: Mpilalao tantara tao amin'ny Ny Ako Association izay nisehatra tao amin'ny IARIVO RADIO.
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/fidy-art-niaina
Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161