You are here: home > Vetso

Fredy Jaofera

Takelaka manokana : http://www.freewebs.com/fredyjaofera/

Hevitra mandeha

3004 (25/11/2013 22:06:41)

NANGAINA



Fony fahazaza
dia efa voalaza,
efa voambara
ho tadidy tsara
fa ho azonay jerena
mba am-pahendrena
iny reny efa lasana
maty any am-pasana
nirina hahasambatra
sy afaka hampitambatra
irony fitahiana
tsy hita hovaliana
raha nasiam-pitaratra
ny vata ka dia lafatra !...
Nefa moa tsy izany
vao naka azy tany ;
fa fitaratra efa vaky
no hita malaky ;
reny efa vovoka
ka tsy nahovoka
ny foko izay nangaina
tsy haiko tantaraina…
Sahy izay nahasahy
ka tsy mba manahy
fa misy re ny tody
mbola hisodisody
hamotika ho azy
tsy hoe vazivazy
ny ratsy nataony
efa ela lalaony !


Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha