You are here: home > Vetso

HASINIONY

inoako fa hiako any am-ponao any
izay tokohy ho voasoratro eto:
.........,
..................................;
..................................?
..................................!

aza manana olon-tiana fa izaho irery ihany
aza manana endrika hafa voarakitra ho anao
na avy amin'ny topimaso, na ny vetsom-po mankany
na ny embona asampotiny ao anaty miafina ao.

"hoy ilay nitia anao; mbola miandry anao ho lala"

Hevitra mandeha

crrlanto (08/09/2004 00:17:56)

Amiko ny hoe :TIA dia avy amin,janahary , rehefa tia manoratra ianao dia izay ilay hery manintona anao sy ny soratra ,ilay hery miafina avy aminao , tianao havoaka ,ilay hery avy ao ampo ahafahanao mamolaka ny teny ho kanto, noho zany dia voajanahary ny toetry ny poeta

nyeja (11/07/2005 08:17:31)

hasiniony a tsara ny sangan'asanao , anisan'ny mpamaky azy matetika aho ary dia tena tiako tokoa
mahereza hatrany hoy ilay poeta tahaka anao
Ny Eja

RAILOVY (10/10/2006 14:17:21)

Hasiniony a, tena mpankafy ny maha malagasy rehetra indrindra ny literatiora, tiko mihitsy raha misy tanora mitovy amiko tahaka anao miezaka ny hanandratra ny maha malagasy. Tohizo fa manara-dia anao hatrany aho. Mahereza

kiriah (25/01/2012 22:50:57)

Raha tsy diso ny fanombànako dia isan' ireo olona mpankafy ny sangan' asan' i E.D ANDRIAMALALA angamba ianao, raha namaky sasantsasany tamin ireo tonokalo nosoratanao aho no lasa tampoka tany amin ' i E.D ny saiko MAZOTO e! ary mahereza hatramin ny farany.

Hametraka hevitra

Midira aloha