Nampiditra : heriarilala
Daty : 21/01/2017 14:58
Nijery : 995
Tononkalo: 1 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Heriarilala Andriamamonjy

Heriarilala Andriamamonjy no ahafantarana ahy eo amin'ny asa soratra izay nalaina tao amin'ny anarana nasalotry ny Masoandro amam-bolako ho ahy ihany hoe RATSIMBAZAFY Heriarilala Andriamamonjy. Io no anarana nosafidiako satria mamiko loatra ny famoronan'i Dada sy Neny.
Nanomboka nanoratra aho tamin'ny taona 2009 saingy maro ireo efa verivery noho ny tsy mbola fahatsapana ny hasarobidin'izany fahazaza. Ankehitriny kosa dia miezaka mitahiry izay rehetra voasoratra. Tinaiza tao amin'ny ankohonana malagasy sy fiarahamonina malagasy aho. Isan'ny namolavola ahy ho tia ny haisoratra malagasy izany. Ny fiainako rahateo ihany koa dia nanery ahy handray ny peniko handrakitra an-tsoratra izay rehetra mitranga eo aminy.
Tsy ny fiainako ihany anefa fa ny fiainan'ny manodidina ahy koa.
Fehiny, tsy ny tsy misy noforonina no ambarako fa ny efa misy izay odian'ny maro fanina, ary ihany koa ny zava-misy miafina no avohitrako.

Ny tara-kevitra iompanan'ny asa soratro dia ny Maha Malagasy : teny, tany, toe-tsaina izay efa mihapotika ankehitriny noho ny fanontoloana.
Ankoatra izany anefa dia eo koa ny fitiavana, amin'ny maha tanora ny tena , eo ihany koa ny lafin-javatra hafa mety ho hita eny amin'ny fiarahamonina eny.
Ny hafatro amintsika ary dia tandrovy ny tenintsika, ny tanintsika ary ny fisainana maha Malagasy antsika. Aza avela ho simban'ny hafa ny maha isika antsika. Mankasitraka!
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/heriarilala-andriamamonjy
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097