Hampiditra sary Nampiditra : herininatjh
Daty : 02/06/2016 07:13
Nijery : 1524
Tononkalo: 4 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

HERININA

Raharison Tojohery Charlot no anarana misoratra ao amin'ny karapanondrom-pirenena Malagasy. Teraka ny 01 Janoary 1984 Tao Mahitsy Antananarivo.
HERININA kosa no solonanarana entiny mikirakira ny zavakanto vita amin'ny teny sy ny soratra. Nahita masoandro ny taona 1998 i HERININA, manoratra tononkalo, sombin-tsoratra ary tantara tsangana (teatra).
Niditra ho mpiray Faribolana ao anatin'ny FARIBOLANA SANDRATRA ny taona 2000 ary mbola miara-manodina izany faribolana izany amin'ny sampana ao Toamasina amin'izao fotoana izao.
Niditra ho mpikambana ao amin'ny FIKAMBANAN'NY MPANAO TEATRA MALAGASY (FMTM) ny taona 2006 (mpisehatra sy mpandrindra an-tsehatra) ary nanomboka ny taona 2008 dia lasa MPAMPIOFANA SY MPAMPIANATRA Teatra. Nanomboka ny taona 2010 dia nanomboka nitantana ny FIKAMBANAN'NY MPANAO TEATRA MALAGASY RANTSANA TOAMASINA.

ASASORATRA EFA NIVOAKA:
- 2003: ANKARO MIAFINA, Tantara Tsangana niarahana tamin'ny tanoran'ny fiangonana katolika (TAFIKA) EKAR Notre Dame de l'Assomption Imerinafovoany Talatamaty
- 2004: FANGALAMPIERY, Boky tononkalo niarahana tamin'i FANIRY VATOSOA novokarina niaraka tamin'ny Faribolana Sandratra sampana Antananarivo ary niaraha-niasa tamin'ny CGM Analakely
- 2005: FIAINANA MIFOHA, Boky tonokalo niarahana tamin'i RAHERY novokarina niaraka tamin'ny Faribolana Sandratra sampana Antananarivo ary niaraha-niasa tamin'ny CGM Analakely
- 2007: VALIN'NY NATAO, tantara tsangana niarahana tamin'ny TROPY RANDRANA IMERINAFOVOANY, mpikambana ao amin'ny Fikambanan'ny Mpanao Teatra Malagasy
- 2008: RAFOTSY SARO-PIARO, tantara tsangana niarahana tamin'ny TROPY RANDRANA IMERINAFOVOANY, mpikambana ao amin'ny Fikambanan'ny Mpanao Teatra Malagasy natao tao amin'ny Teatra Monisipaly Isotry
- 2011: DIA HARY, Boky tononkalo novokarina niaraka tamin'ny Faribolana Sandratra sampana Toamasina
- 2013: MPANORATRA KRIZY, tantara tsangana niarahana tamin'ny Fikambanan'ny Mpanao Teatra Malagasy rantsana Toamasina
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/herinina
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142