Nampiditra : ILIMIMJIVISDI
Daty : 12/11/2014 05:10
Nijery : 3880
Tononkalo: 42 Jereo eto
Mankafy : 5 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

ILIMIM JIVISDI

Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/ilimim-jivisdi
Hevitra farany
ILIMIMJIVISDI ( 20/10/2017 16:31)
DITRAN'NY FAHATSIAROVANA
Maratra ny foko kanefa
Tsy maintsy voatsabon'ny ela
Ny onjam-pitia niantefa
Ny aretiko sisa tavela...
Ny masoko kotsan-tomany
Ny saiko toa sasatra foana
Mandinika lava ny tany
Ny fitiavako kay mba misaona...
Dinidinika an'habaka irony...
Be tsiaro ka mahita faisana
Ry volana soa eny ambony ô !
Nodimandry ny toky niraisana.
Dia torana lava ny saiko
Tena safotry ny zava-bita
Mbola fiainana iray tena tsy haiko
Efa rendrika vao hiampita ! ...
Fahatsiarovana izany, tsiahy
Maditra tsy azo tenenina
Mikiky ny aty fanahy
Manangatra sarotra afenina
Fahatsiarovana izany, tomany
Senton'ny ela natao
Ny maty aza ho'aho vovo-tany
Mbola nofo ao anatiko ao.
Dia etsy ry volana ambony
Honony ny foko torovana
Bedeso RaKintana irony ô !
Ito DITRAN'NY FAHATSIAROVANA.
♛DUVERGER♛
_░▒███████
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154