You are here: home > Vetso

Mampikanto

Tovovavy iray mankafy ny sehatry ny kanto aho ary tena miezaka tokoa ny hanandratra avo ny soatoavina tena malagasy. Tiako ny mifandray aman'olona. Hifampizara ny soa sy ny tsara no iriako eto @ity serasera ity indrindra ny sehatry ny kanto e! Miezaka koa aho ny hanatanteraka ilay hoe : "andrianiko ny teniko, ny an'ny hafa koa feheziko".

Hevitra mandeha

andriary (21/10/2004 13:24:47)

Mampikanto!
Tovovavy mbola ao anatin'ny fahatanorana izy!Mitomban-dahy ny fijoroany raha eo anoloanao ary tsiky no atolony anao alohan'ny resaka rehetra!Manana aingam-panahy hafa noho ny an'ny rehetra izy indrindra ny fanehoana ny fitiavana!Feno sary ny tonokalo nosoratany sady tsy saro-takarina toy ny "ho inonao","alina iray", "tsy hita"...mpikabary sy mpampianatra kabary ao @ fikambanana mpikabary iray eto an-drenivohitra izy ary efa maro ny mpianatra navoakany!mampikanto tokoa izy!

mampikanto (30/10/2004 09:13:14)

Miarahaba anao!

Mankasitraka Andry a!

Hametraka hevitra

Midira aloha