narynjato

Namoaka amboaran-tononkalo mitondra ny lohateny hoe : "Ny tsarako". Anisan'ny mahavariana indrindra amin'ny poeta malagasy anehitriny araky ny hevitr'i Rado mpanoratra. Jereo ny dédicace n'i Rado sy Bessa ao amin'ny Facebook n'i "Narynjato". Mahavariana marina ny mamaky ny asany.

Hevitra mandeha

rainimaika (07/02/2010 08:38:40)

Misy ny tsiky
ankosotra atafy ny fo izay mijaly
Misy ny tsiky
taratra avoakan'ny fo falifaly
Misy ny tsiky
lamba isaloran'ny fo misoloky
Misy ny tsiky
Angolangolan'ny fo mahatoky
Misy ny tsiky
Irina hivimbina fanadinoana
Misy ny tsiky
mifono hasambarana mbola inoana
Misy ny tsiky
ampiononana fo malahelo
Misy ny t...siky
ampahatsiarovana tsiambaratelo
Misy ny tsiky
volena eo an-tava mba hanary dia;
Fa misy ny tsiky ...
Asolo ny teny milaza fitia ...

NARY Njato
18 Janoary 1985

Zozoro (08/02/2010 20:21:28)

"Misy ny tsiky niserana ihany nefa tsy hay adinoina...."

Kanto... misaotra nizara.

Hametraka hevitra

Midira aloha