Hampiditra sary Nampiditra : Niantsirabe
Daty : 10/11/2007 14:12
Nijery : 2165
Tononkalo: 33 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Ni..! (RPR)

..............

Matoa ianao navahako
Tamin'ireo maro izay nandalo teto
... dia ao tokoa ny antony
Noho ianao lafatra
tsara raha fitafy...
maotina raha teny...
Matoa ianao tolorako
Izay mamy indrindra avy aty anatiko
... dia tokoa ny antony
noho ianao nanda
ilay fitiavako iny
ilay sarotra resena sarotra nomena
Fa amiko izany dia mitaky toky
sy mitady antoka ho an'ny fitiavany
Ka ambarako eto fa voasafidy ianao
Hisalotra ny anarany

Posak'andron' Ni..! 13/10/07
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/ni-rpr
Hevitra farany
tslem ( 19/08/2009 12:58)
Ilay teboteboka angamba no lohateny e, fa ny tena mahavariana ahy izao dia toa tsy hita miseho eto ilay mpanoratra sy ny nampiditra ny tononkalo,ny daty sy ny isa sns....

Fa tsara dia tsara izany an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165