You are here: home > Vetso

ny eja

Ny eja dia mpanoratra iray azo lazaina fa efa fantatry ny  maro ny sangan'asany, efa nivahiny teto amin'ny serasera izy ary nanoratra ireo hira izay  malaza  amin'izao fotoana izao raha tsy hiteny afa tsy ny hiran'i bodo farany teo mitondra ny lohateny hoe "fenonao", "tsaroany"izay azotsika namana jerena ao amin'ny album "AINA MIRAY".  ihany koa ilay hiran'i Joy k manao hoe "omeko anao ry A" ary tsy izoviana amitsika intsony ny hiran'i  Tovo J"hay  "teny mamy", mahafaly ahy izay mpankafy azy manokana ny manolotra anareo ity  mpanakanto ity

Hevitra mandeha

DadaRabe (22/02/2004 15:29:48)

Miarahaba an'Ny Eja,

Tsy hitako ny fomba amaliana ny taratasinao satria tsy zatra manoratra eto aho. Omeo adiresy.

Ny namanao DadaRabe

nyeja (17/05/2004 18:53:25)

mahafaly ahy ny mampandre anareo namana fa efa mivoaka ny tononkalo vaovao nosoratan'i Ny Eja ary hirain'i TOVO J'hay mitondra ny lohateny hoe" NOFY LALINA" sy ny "AZA AVELA" ao amin'ny album "TIA T'KOA" ; Ankafizo hatrany ny kanto tena malagasy e ary mirary soa indrindra antsika.

aladin (28/07/2004 20:37:16)

Dia mankasitraka anao ry ny eja.Anisan\'ny mpnkafy ny asasoratrao aho ary mamporisika hatrany ny ahalasa anao amin\'ny lavidavitra kokoa.
rado

Mamour (12/08/2004 10:34:11)

ny tononkalo sy tononkira soratan'i ny eja dia tena tsara ary moraraisina ka noho izany tohizo fa mahafinaritra

nyeja (29/08/2004 14:52:59)

misaotra be dia be amin'ny fankasitrahana sy ny fankaherezana

nyeja (04/09/2004 19:41:08)

misaotra an'i mamour, aladin ary koa i thaniat 2003 aho, mamy kely an!
Ny Eja

nyeja (04/09/2004 19:42:16)

tsy adinoko ianao ry dadarabe misaotra e

rafilozofy (07/09/2004 18:40:29)

Manahoana daholo aloha e!
Inona moa fa dia mirary soa ho an'i Ny eja amin'ny lafiny kanto rehetra izay antenaina fa hamokatra foana tokoa ary ho lasa lavitra. Izaho dia tsy misalasala manoratra izany satria mpiara-miasa aminy sady mahita azy isan'andro, vehivavy tsotra sy sariaka ary kanto ny aminy manontolo. Bonne continuation!

jessica (09/09/2004 12:42:42)

Tsara tena tsara tokoa ny tononkalonao. Ary mety ho tena tsara raha tena mitady feony mendrimendrika kokoa
Mazotoa e

sweetey (09/09/2004 17:50:01)

Kanto dia kanto ny tononkalo soratan'Ny Eja, hainy loatra ny mifidy teny, tsotra nefa afaka mampita hevi-dalina, vakio tsara ange ireo tononkalo ireo e : ho hitanao ao ny fiainan'Ny Eja, ny fiainanao, ny fiainako...
Raha izaho no kanto, dia hamangy azy anaty nofy aho ....

methode (28/10/2004 03:34:04)

Miala tsiny amin'i Ny eja fa diso ny fomba nitadiavako ilay ps kay dia izay no tsy nahitako ny tononkalo!!

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha