You are here: home > Vetso

oceane

tovovavy tsy dia hoe mpanoratra matihanina fa entin'ny tfitiavana tononkalo dia mba manoratra tsindraindray

Hevitra mandeha

vetsoko (27/01/2005 16:42:13)

IZAO ATAO
Aza adinonao fa...
izy koa anie mba miheritreritra
sy maka sary an-tasina
irony zava-bita rehetra.
Saingy,
izy tsy afaka
hatramin'izay nahatapaka
ny fifandraisana izay nisy;
efa lasa ireny,indrisy !

Adinoy...
raha azo atao aza!
Soloy!
Dia ampirimo aleveno any @ lalina;
aza tsarovana akory
na dia zava-marina.
Ny ho avy jerena,olon-kafa indray fantarina;
iny efa tapitra,
f'ianao tsy maintsy miarina.
...Tsoa
29-01-03

Hametraka hevitra

Midira aloha