You are here: home > Vetso

Rado

Teraka ny 01 oktobra 1923. Georges ANDRIAMANTENA no tena anarany. Manambady aman-janaka hatramin'ny zafikely, ... 80 taona tamin'ity 2003 ity ny mpanoratra.
Anisan'ny zoky, Ray aman-dreny teo amin'ny fanoratana i Rado ka maro ireo taranaka taty aoriana no nianatra taminy .... Maro ihany koa ireo artista no naka ny sangan'asany ho tononkira.
Anjaranao no migoka ny asa-sorany vitsivitsy ato.

Hevitra mandeha

kinaoly (13/12/2003 18:07:37)

anisan'ireo mpanoratra nanamarika ny fahazazako i Rado. Vitsy ireo mpanao tononkalo gasy nahasintona tanora sy mbola manintona ny tanora hatramin'izao toa azy. Ho ela velona ange izy ary ho tahian'Andriamanitra.

Oully (01/02/2004 14:59:30)

Misaotra an'ity namana ity zay naka référence mihitsy an'i Rado

"Miarahaba é!
Tsara avokoa ny tononkalo ary deraina ny mpanoratra rehetra,marika fa maro ny mandala ny teny malagasy.
Anisan'ny zava-kanto ny tononkalo.
Maro amin'ireo anefa no tsy manaraka gadona.
Hevitra iray no arosoko: Tsara raha asiana fihaonana na dia indray mandeha fotsiny aza dia ampy. Iangaviana Andriamatoa RADO(Georges Andriamanantena). Mba hanao fampianarana fohy miaraka @ ohatra vitsy @io gadona io. Satria mandringa ihany indraindray ny tononkalo tsy manaraka gadona na dia mirima tsara aza. Avy eo koa moa io rima io mbola mila hatsaraina kely.
Inoako fa hanaiky an'io soso-kevitra io Rado. Na ny ministera misahana an'izany aza mety ho faly sy hanampy satria ilaina ny fikajiana ny teny malagasy.
Raha mamaky ireo tononkalo ireo i Rado dia tonga dia ho tsapany io gadona io.
Tsara ho an'ity serasera ity koa izany.Teny atsipy @ mpiandraikitra ny fihaonana rehetra eto @ serasera.
Ampitapitao, dia misaorra betsaka."

rafeh (17/11/2006 12:21:41)

azafady mba hafaka alefanareo ve ireo tononkalon\'ny rado momba ny fitiavana ireny? azafady tompoko

ledada (21/11/2006 11:59:12)

jereo ao @ ilay "rohy" oe ny mpanoratra reetra, na koa ny hoe "ny tononkalo reetra" fa efa misy tononkalon-drado vitsy tafiditra any, tsy izaho irery no nampiditra fa ny namana hafa koa.

nasolotiana (27/11/2006 12:42:04)

mitady tononkalon-dRado mitondra ny lohateny hoe"NOELY" za raha mba misy

cooper (14/10/2007 22:00:19)

Mety misy manana ve ilay tononkalon-dRado hoe : "Mahagaga f'eto an-tanindrazako aho nefa tenin'olon-kafa ...." misaotra mialoha e !

maki (24/01/2008 06:30:09)

mba mangataka anle tononkalon-dRado hoe:Eny ho aho Ramalagasy, de Zo

rojomahery (28/07/2008 12:22:22)

Mbamangataka ny tononkalon-dRado hoe "Ilay trano kely"

maeva74 (12/03/2009 21:25:09)

Manao ahoana daholo mba azo atao ve ny mahazo ilay tonokalon-dRado hoe:" Zo no hataoko anaranao ...." azafady indrindra raha tsy mahadiso

hussein (19/09/2011 21:22:49)

Isaorana namana Oully amin'ny fanamariana mahakasika ny gadona ,fa izaho dia mitia tononkalo indrindra ny mamaky ,ary ny faniriko mba hisian'ny fampianaran manodidina an'izany.Izay no tiako ambara; koa manantena fa hisy ny fampianarà! Teny atoraka hoantsika rehetra ato anatin'ny serasera "org" iny,ataoko angamba fa tsy misy maha ratsy an'izany;koa dia misaotra e!

Jessimi (22/04/2013 13:20:29)

maki> ato ianao no mijery an'ny tononkalo "Malagasy mankany" miantomboka amin'ny "Eny ho'aho Ramalagasy": http://vetso.serasera.org/tononkalo/randza-zanamihoatra/malagasy-mankany.
Satria i Randza Zanamihoatra no mpanoratra fa tsy i Rado.

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha