You are here: home > Vetso

Toetra RAJA

Poeta malagasy mankafy ny teny fohy isan'an-dalana. Nanomboka namindra teo amin'ny soratra tamin'ny 1983. Mpikambana ao amin'ny HAVATSA UPEM.

Hevitra mandeha

pissoa (03/07/2006 13:58:50)

Ankafiziko koa ny fomba fanoratry i Toetra Raja. Efa noteneniko tany ho any hoe:teny fohy isa'andalana no ampiasainy, nefa sady miady ny rima no feno ny hevitra!

Mankasitraka dia mazotoa hatrany.

Pissoa

toetra (15/07/2006 14:21:53)

TENY FOHY

Teny fohy,
Hary elatra
Hitohy
Hielatrelatra
Hariva
Ao anaty :
Bitsik'iva
Tsy mba maty !

Raha mifoka
Rivotr‘alina
Aho, sodoka-
Nofy lalina;
Ary injao
Fa mifoha,
Ho anao,
Ny ritso-po !

Tsy miato
Ny vaovao;
"Rari-vato"
No atao,
Efa vonona
Izy izao
Ka tononona
Ho anao.


Toetra RAJA
12 aogositra 2005

Malalason (10/11/2008 14:47:39)

dia misaotra
be dia be
fa mahay
tokoa ise
mendrika
ho deraina
maharavo
fo sy saina

Malalason

hihihi mahafinaritr'e

Hametraka hevitra

Midira aloha