You are here: home > Vetso

Tsiky dia ampy


Tsy tena mpanoratra kalaza aho akory fa mba anisan'ireo nandefa vinany ihany koa tamin'ny fahatanorana.
Mety hahafinaritra ihany ny tononkalo sasany.
Raha tsara dia omeo isa :)

Tsiky dia ampy
Hery

Hevitra mandeha

mxr (01/10/2003 08:31:01)

Mahafinaritra e ! Tsy ny sasany fa izy rehetra. Singaniko manokana angamba ireo tononkalo t@ 1994 izay ankevitry ny taona nanamarika manokana ny mpanoratra ?!? Anisan'ny nanamarika ny fiainako koa io taona io na teo @ lafiny fiainana andavan'andro (nahitan'ny malagasy fijaliana be - aza raha tsaroantsika ny geralda, ny flottement, ny filaharana mofo, etc.). Mino aho fa raha misy mpandinika dia afaka mamakafaka tsara ny fiainana avy @ ireo.
Farany : aza atao hoe vinany t@ fahatanorana r'ise fa tohizo a.

hery (01/10/2003 11:03:21)

Ha ha ha...
Tandremo manao analizy amin'ny fiainako mxr an. :)

Oully (01/10/2003 12:33:34)

Tsy hitako izay hotenenina fa feno ny fo eo am-panokafana ireo tonokalo nosoratanao, na dia natao aza ny tsy hanao analizy araka ny voamariky mxr dia lasa ihany ny saina.
Fa dia nanao ahoana loatra ianao tamin'ny fotoana nanoratanao ireny tonokalo ireny ? Ary aiza ho aiza amin'izao fotoana ? Mistery angamba ny amin'izany.
Miarahaba anao ny amin'izay zavatra rehetra vitanao fotsiny aho no mirary anao hatrany ho lasa lavitra.
TTT: amin'ny lafin'ny tsara ahalalanao azy. Manoroka mamy !!!

lanto (10/10/2003 00:30:45)

Alefaso amin'izay aza ny vinanin'antitra e ! ttt

hery (10/10/2003 00:40:40)

Ho avy tsy ho ela e :)
Labirynthe sy fiolahana be dia be aloha :)

hery (19/08/2005 00:53:43)

Nampidiriko ny sariko :-)

hery (20/08/2005 01:28:16)

test

dadasy (08/06/2006 23:14:37)

voavakiko manontolo androany ireo tononklon'i Hery...

hery (08/06/2006 23:28:31)

Hihihi... gravy kou i Hasy izany. Misaotra e.

pissoa (29/12/2011 14:18:34)

Dain, dia hoe izaho ve mbola tsy nanoratra teto ? Tssss :P

Isan'ny vakiako matetika (efa hatramin'ny ela be) amin'ny tononkalo nosoratan'i "Tsiky dia ampy" ilay hoe "Rava", indrindra ilay hoe "Ratsy fanahy amin'izay" lol.

hery (29/12/2011 14:28:49)

@pissoa > ho ho ho :-p
Izaho koa mamaky an'io "Rava" io matetika

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha