Hampiditra sary Nampiditra : Tsilefy
Daty : 26/01/2014 12:16
Nijery : 1781
Tononkalo: 6 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Tsilefy (Good's)

Good's solon'anarana niantsona ahy tany an-tsekoly nohon'ny fitiavako Anglais diso tafaotra, teo @ "classe de 4eme "aho no nanomboka nanoratra ary ny tonokalo no soratako dia mikasika ny fitiavana avokoa tany ampiandohana, tsy dia nanana eritreritra anao Boky aho na hitahiry ireny loatra t@ izany fa izay "cahier" tonga eo anolokoa ka mangataka ny diam-peniko na tononkalo io na sary dia nasiko avokoa. Eritaona taty aorina dia nanom-boka nalaza ny mozika "RAP"teto amintsika, nanoratra "RAP" aho ka teo vo nanomboka nivelatra ny t@ zavatra rehetra ny fomba fanoratako fa tsy nijanona fotsiny teo @ lafiny aram-pitiavana; nikasa ny ho tonga "RAPEUR" malaza otran'ny i RABOUSSA aho nefa tsy ampy ny hanatanterahako ny nofinofiko ny fananakelinay mianaka, tsy nijanona nanoratra nefa aho niventsoventso mangina tena foana. 3eme année teny @ technique aho no niaraka nipetraka t@ ny namako iray izay mpanoratra ihany ko, teo no fotoana tena mapirongatra ny aingam-pahiko ka nanom-boka nitehirizako izay zavatra rehetra nosoratako( tononkalo, hira, tanatara....); fotoana vitsy fotsiny ihany anefa no niarahanay nipetraka fa lasa nianatra ho mpitandrina (Pasteur) tany Fianarantsoa izy ka niverina tao @ i neny aho. Afaka BACC aho dia nianatra tany Toamasina, ra ny marina dia sady niasa aho no nianatra satria efa arak'i neny intsony ny "écolage", tsy aiko na noho ny fasairanako t@ velon-tena sy ny fianarana fa nanjary nangatsitsiaka aho t@ fanoratana ka tsy taitra firy intsony. 6 taona aty aorina votery nisaraka indray @ i Neny aho noho ny fitadiavana; rehefa ariva mody masoandro iny dia mila tsy tantiko ny alaheloko nefa tsy manana an'izan'iza afaka itarainako aho, no raisiko ny ny mpeniko ka niverina indray aho nanoratra ary teo vao tsapako fa tsy maty kay ilay aingam-panahy tato anatiko ka izay no nahatonga an'ilay oe TSILEFY...
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/tsilefy-goods
Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136