Nampiditra : antsahoneywinner
Daty : 30/01/2012 07:56
Nijery : 2138
Tononkalo: 23 Jereo eto
Mankafy : 1 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

TSY RENDRIKA Spica

Tongasoa eto amin’ny takelak’i TSY RENDRIKA Spica. Nanomboka ny taona 2012 aho nampiditra sangan’asa vitsivitsy teo amin’ny vetso.serasera.org. Tamin’izay ihany koa no nisafidianako ny solon’anarana TSY RENDRIKA Spica. Araka ny https://en.wikipedia.org/wiki/Spica, Spica dia anaran'ny kintana mazava indrindra amin'ny vondron-kintana Vierge. Io kintana io dia iray amin'ireo kintana 20 mazava indrindra azon-tsika jerena eny an-danitra amin'ny alina. Raha ara-bakiteny, ny teny latina hoe Spica dia midika hoe salohy na tendro.

Mahafinaritra ahy ny mamaky tononkalo sy mizara ny tononkaloko eto amin’ny tamban-jotra ity noho izy natokana ho an’ny asa soratra. Ankasitrahako indrindra noho izany ireo mpamorona sy mpitantana ny tamba-jotra!

Ny mpanoratra nankafiziko indrindra tamin’ny vao nanomboka nampiasa vetso.serasera.org dia i Ny Eja. Ankehitriny tena maro ny mpanoratra mizara sangan’asa tsara eto ka tsy afaka miteny intsony aho hoe iza no tiako indrindra. Raha mandalo amin’ny tononkalo tiako aho dia manisy fo mena iray! Izay no ahalalanao hoe nanaitra ahy ilay tononkalo!

Antsa no anarana fiantso ahy amin’ny andavan’andro. Teraka ny taona 1998 tao Antananarivo aho ary lehibe tao Ambohitrimanjaka. Ny famakiana boky sy gazety ary ny fihainoana tantara sy sombin-tantara an’onjam-peo no nitaiza ny fitiavako literatiora an-tsoratra. Mpikambana ao amin’ny vondrona mpanoratra Hay Sorakanto nanomboka ny taona 2021 aho.

Manoratra tonon-kalo sy sombin-tantara ary tantara foronona aho fa mbola tsy namoaka boky. Ny ankabeazan’ireo sangan’asako dia mbola tsy navoakako ho an’ny mpamaky. Miezaka ny hanatsara azy ireo araky izay vitako aho alohan’ny hisehoany anaty takelaka na boky. Manoratra amin’ny tenim-pirenena Malagasy, Frantsay sy Anglisy aho ary eo am-pianarana ny teny Espanola sy Alemana. Tiako ihany koa ny miantsa tononkalo ary misy video vitsivitsy mirakitra izany ny takelako Facebook. Anisan’ny ezaka ataoko ihany koa ny hanisy antsa ireo tononkaloko eto amin’ny vetso.serasera.org izay mbola tsy misy izany.

Miezaka manatsara ny asa-soratra aho ary manampy ahy amin’izany ny fametrahanao mpandalo hevitra amin’ny tononkaloko. Aza misalasala ary noho izany mametraka hevitra ary aza adino ny manindry ilay fo mena raha tianao ilay asa soratra vakianao. Mankasitra indrindra o!

Antsa
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/tsy-rendrika-spica
Hevitra farany
hery ( 05/08/2023 06:41)
Ok antsahoneywinner. Azonao ahitsy ilay mpanoratra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157