Bana Rahalahy
Mpanoratra mpikambana ao amin’ny Havatsa Upem sampana Frantsa – Fikambanan’ny Poeta sy Mpanoratra Malagasy “Union des Poètes et Ecrivains Malgaches section France” i Bana Rahalahy.
Mpampianatra tao Antsirabe ny rainy ary nanao famandrihana nandritry ny taona maro ny gazety “Mpanolon-tsaina” sy “Sakaizan’ny tanora”. Ny famakiana ireo gazety ireo no anisany nampitombo ny fitiavan’i Bana Rahalahy ny teny Malagasy. Efa hatramin’ny faha-14 taonany tany ho any izy no nanoratra. Noho izany tena marobe tokoa ny tononkalo sy hira noforoniny. “Efa hamoaka amboaran-tononkalo sy hira tsy ho ela intsony izao”, hoy izy, “ Ny hira moa dia misy andraisan’ireo namana mpanakanto maro anjara. Isaorako eto sahady izy ireo nahafoy fotoana sy nampindrana ny talentany amin’ny fanatontosana io rakitra tiako havoaka io” .
Hoy i Bana Rahalahy raha milazalaza ny momba azy :
“ MBA HIFANKALALANTSIKA TSARA DIA INDRO OMEKO NY FANAZAVANA.
Ny hoe ”Bana” ? Tsy mitory akory
fahabangana
Fa efa fiantsoana ahatany an-tanana.
Ny hoe “Rahalahy” dia mba hilazana
“Aza misalasala fa raha hianala
Ho tokiko ianao, izaho ho tokinao ...”
Ry vehivavy namako
“Bana Ranadahy” no ataovy anarako!
Zokiolona ianao? Ekeko tsara ny “Bana Zandrilahy”.
Raha zatovo te-haneho fanajana dia “Bana Zokilahy na Zoky Bana” iantsoana ahy.
Mety hisy ireo tsy tia (ataoko sanatria) hiantso “Bana Rafilahy”? Azy ny azy …
Ny ankizy voatavo tsy mifandraka izay raisiko ho toy ny zanaka : “Dadatoa Bana” mety ho tsara (fa tsy “Tonton Bana”).
Any aoriana any ireo zafikely sy namany
maro
Izay samy hiteny gasy tsy mifangaro (enga anie)
Mba hiantso hoe
“Dadabe Bana! Itantarao angano indray izahay !”.
Gaga ve ianao raha lazaiko an'izao :
Anisan'ny biby mahafinaritra ahy : ny tanalahy!”
Raha tsy te-hivaky loha “Bana Rahalahy"
iantsoana ahy,
na “Bana” fotsiny koa tsy manahy.”
Ny tena gasy, ny teny gasy, ny tany Gasikara
Dia ho faty sa ho tsara?
Ny tena gasy, ny teny gasy dia ho faty
Ny tany Gasikara dia ho lo sy hamarara
Raha sanatria tsy tsara vatsy ireo zanaka amam-para
Raha tsy lalim-paka anatiny ireo fomba ‘zay fandala:
Fihavanana, Fifanomezan-tanana ary koa Fifanajana
Adidin’iza ny mampita ny maha-malagasy antsika ?
Bana Rahalahy
DIA HO ZATRA VE ?
Dia ho zatra tokoa ve ny maso
Rehefa mahita isan'andro
Ireo olon-tsy manana
Mangataka eny amoron-dàlana ?
Dia ho zatra tokoa ve ny fo
Mahita ity Ramatoa
Mitrotro no sady mibaby
Dia efa bevohoka sahady ?
Bana Rahalahy 1997
Mpamoron-kira, sy mpitendry valiha sy kabosy amin’ny tarika Hanta (http://hanta.free.fr) sy ao amin’ny tarika Tafa’s’Hira (Angano sy Hira, http://hanta.free.fr/Contes) i Bana Rahalahy. Miantsa tononkalo miaraka amin’ny tarika Gas’SL’âme (http://gasslame.skyrock.com) koa izy. Afaka henoinao eto ny hira sy tononkalo vitsivitsy noforoniny http://riba.tontolo.net .
Santionan’ny tononkalony dia azonao jerena eto koa : http://vetso.serasera.org/mpanoratra/bana-rahalahy

