Fredy Jaofera

Submitted by: raozigasy
On: 16/06/2009
In: Mpanoratra

Oviana no nahalalanao sy nampiasanao izao talentanao izao ?

Efa ela be tokoa !….Vao folo taona monja aho dia efa nahasoratra tononkalo saingy tsy niteniteny an’iza an’iza aho. Rehefa roa amby ny folo taona aho vao hitan’ny zandriko tsy nahy ny kahieko feno tononkalo efa aman-jatony ( satria izahay mirahalahy niray efitrano) vao gaga izy. Nanomboka tamin’izay vao nanitikitika ny saiko ny tsy hanafina intsony ny tononkaloko.

Inona avy no hetsika efa nataonao hahalalana ny asa tanananao na ny hetsika nandraisanao anjara ?

1 -Izaho dia mpianatra sy Mpampianatra taranja Anglisy tao amin’ny Institution Sainte Famille etsy Mahamasina : isaky ny tonga ny fetin’ny sekoly isa-taona dia nanararaotra tokoa ny tenako niantsa tononkalo iray. Fony izaho kilasy faharoa, hiboka hatrany am-baravarana ( tao amin’ny salle de fête) ny olona nahita ahy niantsa tononkalo voalohany.

2- Tao amin’ny Génie Militaire aho no nanao « formation militaire » tamin’ny SN. Rehefa nipetrapetraka iny izahay SN dia nanararaotra hatrany aho niantsa tononkalo manoloana ny namana rehetra. Misy mihitsy no nangataka fa tsy izaho no nisosososo !

3. Rehefa vita ny « formation militaire » dia tany Antsirabe aho no voatendry hanao ny fanompoam-pirenena ivelan’ny tafika na ny SN. Tsy ampy anay ny karamanay tamin’izany ka dia teraka ny eritreritra hanao fampisehoana. SN maromaro izay voatendry hiasa tao Antsirabe no nanao fampisehoana tao amin’ny FARIMBONA ( toerana fampisehoana goavana eo afovoan-tanàna ao Antsirabe). Hira, tononkalo, hatsikana, tantara tsangana….Tsy nisy vidim-pidirana fa rakitra no notatazana.

4-  Izaho dia Mpikambana tao amin’ny Faribolana Sandratra : Ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy izahay no miantsa tononkalo isam-bolana. Mifandimby ny fandraisan’ ny mpanoratra anjara ao. Efa in-telo aho no nandray anjara antsa tononkalo tao amin‘ny CGM.

5- Any Antsirabe dia efa misy sampan’ny Faribolana Sandratra. Tany koa ny tenako no niantsa tononkalo niaraka tamin’ny Faribolana Sandratra.

6- Amin’ny maha-HAVATSA ahy, dia teny Ampefiloha aho nandray anjara voalohany teny imasom-bahoaka tamin’ny andron’ny teny malagasy. (Volana Jona 1991)

7. Galerie 6 eo Analakely, Espace Aro ao Antsahavola,  Rarihasina eo Analakely, Tranom-pokonolona eo Analakely ary Club du Lac eny Ivato no toerana nanaovan’ny HAVATSA ny fetiny ka niantsana tononkalo rehefa tonga ny anjarako.

8- Sekoly vitsivitsy no efa notetezina nanaovana famelabelarana mikasika ny tononkalo. Ramatoa Esther RANDRIAMAMONJY no mpitarika anay. Ireto avy ny sekoly efa notetezina :  AMBOHIJATOVO AVARATRA /  Lycée ANDOHALO /   Saint Michel / Lycée AMPEFILOHA / Complexe AMPEFILOHA.

9. Fiangonana vitsivitsy ihany koa no efa notetezina notarihan-dRamatoa Esther RANDRIAMAMONJY ka nanaovana famelabelarana mikasika ny tononkalo sy ny kabary am-panambadiana : Fiangonana Ambatonakanga / Fiangonana Amparibe / Kolejy Teolojika Ivato / Fiangonana Isotry Fitiavana / Fiangonana AMBOHIPO sy ny hafa tsy tsaroana intsony.

10. Tao amin’ny FAHV aho tamin’ny tolona 1991. Ny FAHV dia ny Firaisan’ny Artista Hery Velona ( Mpihira, poety, mpanao hatsikana…). Araka izany dia efa nandray anjara teo amin’ny 13 Mey aho, Moramanga, Taomasina niantsa tononkalom-pitolomana ho an’ny firenena !…

11.  Rehefa misy fanambadiana tao amin’ny fianakaviana sy ny namana aman-sakaiza dia tsy diso anjara aho tamin’ny fiantsana tononkalom-panambadiana.

12. Ny tononkaloko dia efa re tao amin’ny FEOM-BALIHA MAMATONALINA. Fandaharana tononkalo sy hira tao amin’ny Radio RNM isak’alahady hariva amin’ny valo notontosain’i Ener Lalandy.

13. Ny tononkaloko dia efa nivoaka tamin’ny gazety sy revio : ATRIKA / Matin / Midi / Hehy / Gazetiko/ Ny Mpamangy / Sakaizan’ny Tanora / Mpanolotsaina…

14. Vahin’ny Fandaharana SALANITRA aho tao amin’ny televizionina malagasy tamin’ny 26 Mey 1993 izay notontosain’i Louis Bernard RAKOTOMANGA.

15. Niseho televizionina ihany koa aho niantsa tononkalo tamin’ny fankalazana ny raibeko Fredy RAJAOFERA tamin’ny 1994.

16. Fihaonana tamin’ny poety Jacques RABEMANANJARA teny amin’ny Oniversite Antananarivo tao amin’ny Grand Amphiteatre de l’EESDEGS tamin’ny 24 Avrily 1992.

17. Teto Paris dia tao amin’ny FIAP aho no niantsa tononkalo niaraka tamin’ny HAVATSA tamin’ny fananganana ny fikambanana, tamin’ny fankalazana an’i Dox, tamin’ny fankalazana an-dRabearivelo, tamin’ny fankalazana an’i RADO ary ny fahatsiarovana ny ROVA may.

18- Ny tenako no nikabary tamin’ny fahatsiarovana ny rova may tao amin’ny FIAP tamin‘ny 2006.

19. In-telo tany Vichy aho, Fihaonana’ny Malagasy isan’ny Frantsa ary efa nikabary indray mandeha tany koa.

Efa namoaka boky ve ianao na fehezan-tononkalo hafa ? raha eny dia aiza no ahitana azy ?

Efa namoaka boky fito aho izao. Hitanao ao amin’ny tranokaloko ireo sariny. Aty amiko raha te hividy ianao.

Inona ny hetsika manaraka handraisanao anjara ?

Izay hetsiky ny HAVATSA manaraka.

Hafatra tiana apetraka ho an’ny mpamaky ny takelaka vetso.serasera.org 

Fisaorana eram-po eran-tsaina no atolotro tamin’izao fanadihadiana izao. Ilaina mihitsy itony hahafantarana bebe kokoa an’ireo poety hita ato amin’ny www.vetso.serasera.org…..

http://www.freewebs.com/fredyjaofera/

MIRARY SOA E !

Comments:

1. Zozoro

Faly mahafantatra anao.

Tena ankafiziko tokoa ny tononkalonao. Tena hita fa ao aminao tokoa ny fahaiza-manoratra sy ny fankafizano ny teny malagasy.Deraina manokana ny haingon-teny ampiasainao. Misaotra indrindra mizara. Mba hitohy hatrany anie ny rotsirotsinao.
Mankasitraka

2. Fredy JAOFERA

Miarahaba anao, Zozoro

Misaotra anao raha ankafizinao ny tononkaloko. Omeo ahy ny anaranao sy ny adiresinao fa omeko boky iray nosoratako ianao ho fahatsiarovana.

Mirary soa,

Fredy JAOFERA

3. Maeva74

Efa ela no nahenoko anao , ary mpamaky ny tononkalonao koa aho, saingy tato amin' ity sehatra fifandraisana ity vao nahita anao, koa dia faly mahafantatra

4. Fredy JAOFERA

Miarahaba anao, Maeva74

Faly mahafantatra anao koa aho, Maeva74 !
Mino aho fa mbola hifankahita isika iray andro any.

Mirary soa,

Fredy JAOFERA

5. mimie9

tena mahavariana sy mahaliana ny parcours -nao. Misaotra ary makasitraka tanteraka @ ezaka sy fanandratana ny teny malagasy.
Maniry koa ny hahita betsaka ny tononkalonao raha mety.

Add a comment







[*] Required