Hajaina Naomy Andrianasolo

Submitted by: raozigasy
On: 29/07/2009
In: Mpanoratra

Nahazo ny mari-pahaizana ambony momba ny Fifandraisana sy ny Haisoratra teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo i Hajaina ary mbola manohy ny fianarany sady miantsoroka asam-panjakana ihany koa.

Tsy nandova mivantana saingy ny fampirisihan’ireo Ray aman-dreniny hitozo sy hanohy ny sori-dalana heveriny fa manavanana an’i Hajaina no anisan’ny tanjaka lehibe ho an’i Hajaina nitetezany ny valaben’ny kolontsaina ka nikolokoloany ny teny sy soratra malagasy ho eo avara-patana sy ho amin’ny toera-mendrika.

Tany amin’ny faha 13 taonany tany i Hajaina no nanomboka nanoratra. Niara-dalana hatrany ho azy ny TENY sy ny SORATRA satria nianatra nikabary ny taona 1995 ary anisan’ny zandriolona sady tovovavy kely tamin’izany nisantatra sy nandray anjara ka noraisina ho mpikambana tao amin’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy  ny taona 1996 ary dia io taona io ihany koa no nidirany ho Mpikambana ao amin’ny Fikambanan’ny Poety sy Mpanoratra malagasy « HAVÀTSA – Upem ». Voafidy ho Birao nanomboka ny taona 1999 ary ny taona 2008 dia nolanian’ny fivoriam-be ho Filoha Mpanampy ao amin’io Fikambanan’ny Mpanoratra io.

Araka izany, i Hajaina dia manoratra : Tononkalo, Sombintantara, Tantara fihaino, Tantara tsangana (ka efa nahazoany ny loka voalohany tamina fifaninanana ny taona 1997 sy 1999), Andram-pamakafakana, Angano, Sombintseho, Hira (tonony sy feony) sy ny sisa. Nandrindra sy nanoratra ny boky Soridalan-komban-kahatsangy izy ny taona 2006 izay boky fampianarana mikabary ary nandray anjara tamin’ny fanoratana ny boky Tombokavatsan’ny taona 2000 izay ahitana ny Sombintantara nosoratan’ireo Mpikambana ao amin’ny Havàtsa Upem,. Ary tamin’ity taona 2009 ity, ny volana avrily dia nivoaka soa aman-tsara ihany koa ny boky Ambarion-kabary niarahany nanoratra sy nandrindra tamin’ireo Mpikabary namany.

Somary masiatsiaka na mahery setra eo amin’ny fomba fanoratra i Hajaina, hoy ny fanombanan’ny sasany amin’ireo Mpanoratra namany. Mety ho marina amin’ny ampahany kely izay ary mety ho hitanao ato ny sombin’izany, fa ny tena mahitsy dia izao tsy manaiky mora foana izay heveriny ho tsy rariny i Hajaina ka any anatin’ny soratra no amonkonany totohondry hamelezany ireo minia miridiridy. Maha izay azy rahateo izany. Manana toetra mora tohina fa vetivety dia mitsiky, mora malahelo fa vetivety dia mifaly i Hajaina. Dindom-piainan’ny maha olona avokoa izany, hoy izy.

ho an’ny Havàtsa, noho ny faha 55 taona

 

DIA ALEO…

 

Raha Saina mora ketraka

No entinao mamaky ny haizim-be mikitroka,

Dia aleo mipetrapetraka

Fa sao ho sendra hady… lalina mangitsoka.

 

Raha Fo mora sendaotra

No entinao maneho ny teny sy ny sary,

Dia aleo mamboamboatra

Karazam-panafody, sitrany tsy harary.

 

Fa raha Fanahy mamàka

No entinao mandeha mikatsaka ny mety,

Dia aleo tsy miambaka,

Miaraha, miomb?na hevitra amin’ireo Poety.

 

                              Hajaina

             (sept 2007)

 

Tsindrio eto raha maniry hamaky ny tononkalony

Comments:

1. Maeva74

Mahafinaritra ny mahaliana ny mahita mpanoratra kalaza toan' i hajaina, mampanonofy ny hanoratra koa

2. hery

Makasitraka Hajaina a! tohizo hatrany ny kanto fa mahafinaritra e!

3. patrick2002

Miarahaba an`i Hajaina.
Dia rahoviana indray Hajaina miverina aty Montreal.

4. Lalaina

Miarahaba hajaina! Mankasitraka inndrindra tena kanto de mirary anao hitombo talenta hatrany

5. Rakotozafy

Tsara ny mateny gasy ,ary ny zavatra rehetra moa dia azo amgara @ teny gasy ,tohizo Hajaina fa mbola hahita zavatra tsara kokoa hianao ao aloha kely ao majotoa.

6. fefy

"Sakoa zay"
hay enao efa hatramin'ny 1998 no nahalala ny "Rangory" sy ny "efa nisakafo?"
Fantatrao avy hatrany Hajaina le manoratra an.

7. HAJAINA

Misaotra anareo naneho fankasitrahana sy nankahery ahy ka nitozo sy namaky ireo asasoratro. Tsy maintsy mbola hiverina any Montréal ihany tokoa indray andro any.

Saika tapaka ny tsinaiko amin'io hafatra nalefan'i FEFY io, fantatr'i Fefy ihany fa olona mora ampihomehezina aho... raha mba eto am-pototry ny internet ihany aho no ripaky dia azoazo fa aza hitako ka tsy tanako eny an-dalana...loooza.

Ny mpanoratra ange afaka maminàny koa e

Mirary soa ho an'ny rehetra e

8. fefy

Mirary soa ho anao ihany koa e, dia mahavità be hatrany amin'ny sahan'ny asa soratra, izahay moa dia finaritra mamaky ny aingam-panahinao.

Dia manantena ny hifankahita aminao tsy ho ela ihany koa e, mbola be ny hehy ifampizarana.

Add a comment







[*] Required