Ilery
"ilery" no solon’anarana nofidiako ho entina amin’ny maha-poety ahy.
"ilery", anarana toa fiantson’ireo zatovo matetika, toy ny fantatry ny rehetra nefa koa mifono misitery ka mampametra-panontaniana hoe « fa iza marina moa ilery e! ». « Ny famakianao sy fanarahanao ireo tononkalony no ahafantaranao be be kokoa ny amin’ilery ».
Raha ny tena anarako amin’ny fiainana
andavanandro kosa dia RABEHASY Zo
Kiadiniaina, monina eto Iarivo.
Tsy mpikambana anaty fikambanana ny tenako nefa kosa vonona hiara-hiasa amin’ireo mpanakanto hafa toy ny mpihira, mpamorona feonkira na koa ireo poety sy mpanoratra Malagasy ohatra ahy, ary vonona ihany koa hiserasera amin’ ireo izay mpankafy ny sora-tanako; ka ny imailaka ahafahanao mifandray amiko amin’izany dia ny ilery.iarivo@gmail.com
Raha ny tranonkala manokana indray dia mbola eo ampiketrehana azy fa na izany aza dia ankoatra ny eto amin’ny vetso.serasera.org, dia misy takelaka iombonana hafa azonao hamakiana ny sasany amin’ireo tononkaloko ihany koa izay hitanao ao amin’ity rohy ity http://www.facebook.com/pages/Ilery/124117281039
Tamin’ny faha-16 taonako tany ho any no
nanomboka nanoratra aho, rehefa nibadabada teny dia nihamatotra nanaraka ny
taona ny tononkalo voasoratra, ny fomba fanehoana ny aingam-panahy ary ny
fampitàna ny hevitra fonosina ao anatiny; ka amin’izao fotoana dia tapa-kevitra
ilery hampahafantatra miandalana amin’ny
besinimaro ireo sangan’asany ireo ary hifantoka kokoa amin’ny kalitaon’ny
tononkalony. Noho izany dia misy ny vinavinan’asa handrafitra fehezan-tononkalo
iray izay ho raketina boky ka ho fantenana ireo tononkaloko tsara indrindra havoaka
ao anatin’izany miaraka amin’ireo famoronana vaovao.
Ny hafatra dia mamporisika ny Malagasy rehetra ho tia sy hankafy ny literatiora Malagasy indrindra ny tononkalo ary hiverina ho tia vaky boky anisan’izany ireo bokin’ny poety Malagasy na ny efa andrarezina toa an’i Rado, na Dox izay anisan’ny ankafiziko, sy ireo hafa maro, na ny vao misandratra toa ahy.
Amporisihana ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny poety sy ny mpanakanto hafa amin’ny lafin’ny hira satria “izay tsy mahay sobiky hono mahay fatam-bary”; etsy andaniny koa dia tsapa fa ny tononkalo izay vita hira dia mitoetra kokoa ao an-tsain’ireo mpankafy.
Tsy adino ny mankasitraka sy mankatelina ny vetso.serasera.org sy ny mpiara-miasa aminy amin’ity tetikasa “Antsa an’onjam-peo no kalo” ity.
Azo jerena an-drohy eto ny tononkalon'ilery
Hamaranako azy dia indro misy tononkalo fohy iray hitondrako anao mitsidika an’izany tontolon’ilery izany.
Raha ny masoko no nisafidy
Mety ho hafa fiantefa,
Raha ny saiko no nandidy
Mety ho diso safidy,
Fa ny foko no nahalala
Fa ianao ilay malala,
Silaka fanahy
Notadiaviko hatrizay
Raha teny no entiko midradradradra
Ny vetsom-poko androany,
Dia tsy ho ampy sy tsy hahalaza
Ny fitiavako tsy mety lany;
Fa indro pera-tsarobidy,
Ho marika fa ianao no finidy;
Ekeko ho malalako doria,
Hiara-hanandratra fitia!
ilery
Jolay 2008
Comments:
1. fahamarinana
Faly mahalala dia faly koa mankafy ny tonokalo e!Mahareta hatramin'ny farany amin'ny fanoratana o !Mirary soa !
2. Rindra
Tsara fa tohizo hoy ny fiteny.
3. Maeva74
Dia variana foana mamaky ireo voasoratra sy ny sanganasan'ny namana.Mirary soa hatrany