Raozigasy

Submitted by: raozigasy
On: 26/05/2009
In: Mpanoratra

Raozigasy no solon’anarana nofinidin’i Haja Lalaina entiny hamoahana sy hizarana ireo vetsovetsony.

Raozigasy satria tambatr’ilay Raozy vonikazom-pitiavana sy ilay Gasy manamarika ny fihaviana.

Raozy : lokon’ny fitiavana ; entina mizara ny hotrakotraky ny fo raha faly, entina mampitony ny jalim-po anaty raha malahelo, voninkazon’ny embona sy ny vetsovetso,

Gasy : lokon’ny fihaviana; entina mirehareha amin’ny kolo-tsainy manan-karena, entina iavahana amin’ny kantony tsy hita noanoa, taratry ny raitra sy ny lafatra malagasy rehetra.

Raozigasy dia filazana ihany koa ilay raozidia miavaka sy manimba ny tontolon’ny raozy tsotra rehetra , miavaka i Raozigasy satria miezaka mampiely patrana ny kanto malagasy manerana izao tontolo izao ary manabe voho hatrany ny tenin-drazany.

Raozigasy sy ny Tononkalo Malagasy dia "lamban’akoho ka aina no fetra".

“Tononkalo Malagasy”

Ianao ry tononkalo, no namako sy arofaninko
Ianao ry soratsoratro, no fefy miaro ireo vinaniko
Ianao ry diam-peniko, no lalam-piainana alehako
Ianao ry teny mamiko, no tabiha sy reharehako

Ianao ry teny malagasiko, no fizarako ny hetaheta
Ianao ry teny kanto indrindra, no nahatonga ahy ho poeta
Ianao ry teny izay tsy foiko, no fizarako irony vetsoko
Ianao ry teny tonga lafatra, no hitantarako izato sentoko

Ianao ry teny nolovaiko, no tena tenin-dreharehako
Ianao ry teny holazaiko, no anambarako ny firehako
Ianao ry teny   manan-jina, no manasina ny vavako
Ianao ry teny feno haja , no mamatotra ahy sy ny havako

Koa ny toky omeko anao, ry tononkaloko ry teniko
Ny voady ataoko aminao, ry kanto lova avy amin-dreniko
Dia matokia hatrany ianao, raha mbola tany koa ny tany,
Fa tokana ny Teny tiako, ilay Teny Malagasy izany

Tsindrio eto raha te hamaky ireo tononkalony rehetra

Comments:

1. fahamarinana

Tsara ilay fanovana takelaka ! Misaotra amin'ny ezaka ataonareo ao e !
Misaotra fa mazava tsara ilay mombamomba anao o !
Tsara ilay hoe "lamban"akoho dia aina no fetra ".... Mahereza e ! Zahay eto hatrany mamaky sy manohana !
Faha

2. maeva74

Ianao ry teny malagasiko, no fizarako ny hetaheta
Ianao ry teny kanto indrindra, no nahatonga ahy ho poeta
Ianao ry teny izay tsy foiko, no fizarako irony vetsoko
Ianao ry teny tonga lafatra, no hitantarako izato sentoko

mahafinaritra ny tononkalonao ka nanonofy hatramin' izaho namaky. misaotra indrindra

3. Raozigasy

Misaotra anareo mpankasitraka ny kanto malagasy ary manentana ny malagasy rehetra hifampizara ny kantoeto amin'ity sehatra sy takelaka mahafinaritra sy vao nohavaozina ity

Zarao eto ny alahelo nokotrehim-po voadona
Zarao eto ny hadisoana rehefa iny ianao nifona
Zarao eto ny hatezerana, sy ireo otri-balifaty
Dia hihamaivana ianao, raha mivoaka ireo tsy tanty

Zarao eto ny hafaliana, mampitsiky izany tava
Zarao eto ilay fitia, mampisioka izany vava
Zarao eto izany vetso sy embonembona fitia
Dia ho faly ny tontolo, ka an-tsiky no miria

Zarao eto ny hetaheta, ao anatinao mangina
Zarao eto izany nofy, sy hasambarana ho zina
Zarao eto ireo kinasa, novetsoina hotanteraka
Dia hisinda avokoa ireo asa saina izay mandreraka

Zarao eto ireo fijery, sy fahitanao ny tontolo,
Zarao eto na dia hevitra, heverinao fa hoe bontolo
Zarao eto ny fisaina, fibanjinanao ny ho avy
Dia hivadika traik’efa, lesona ho an’ny mpianakavy

Zarao eto ireo kanto, nataonao tsiambararoa
Zarao eto ireo talenta, ho soratra sy masoivoho
Zarao eto ireo fahaizana, izay harenanao miafina
Mba ho kanto malagasy, irin’ny sasany ho tahafina

4. biks

gasy ka manja ,raozigasy koa izany manja ka dia mahereza eh,tsara ny mahatsapa ny tena maha manja ny gasy @ lafinyrehetra, na kolon tsaina io na inona

5. maeva74

Zarao eto ireo kanto, nataonao tsiambararoa
Zarao eto ireo talenta, ho soratra sy masoivoho
Zarao eto ireo fahaizana, izay harenanao miafina
Mba ho kanto malagasy, irin’ny sasany ho tahafina
eny fa ho zaraiko ho anareo koa, mahafinaritra

6. pissoa

Mirary soa hatrany Raozigasy a !

7. RAHARIJAONA Heritiana

Slt, hay ve élà mpanoratra tononkalo tahak izao e!!!!
Tsara ka fantatro oe manana talenta ianareo amin ny famoronana hira ho an i chorale nanomboka hatramin'ny dadabenareo, dia mahay mitendry orga koa ny razambenareo raha tsy diso. Tao amin'ny sakaiza mpanohana ny AMA (1968 io an)no nahampinamana ny ray aman-drenintsika ankoatran'ny tao amin'ny sekoly alahady.
Zà ohatran'ny nanana aingam-panahy taloha nahavita nanarotra zay ihany fa zao asa na dia ahoana loatra fa tsy mety tonga ny feeling za koa mila mivoaka kely ny ville dia mitazana faravodilanitra na eny amoron dranomasina mangina no miainga; Ho tadiaviko ireny sangan'asako taloha dia mba ampidiriko eto koa e
Zay dia salamà ry se

8. Bana Rahalahy

Mafonja sady tsara be ilay "Zarao".

9. Ventsokely

Mahafinaritra indrindra ny mahita ny malagasy sahy mijoro amin'ny nenin-drazany tsara fa tohizo hatrany ee !!!

Add a comment







[*] Required