Soratonon'2009

Submitted by: raozigasy
On: 28/09/2009
In: Vaovao

Hatramin’ny 7 taona nisiany, ny finaninanana sora-tononina izay karakarain’ny fikambanana Kolo miaraka amin’ny mpampianatra ao amin’ny Inalco dia nanjary isan’ireo ambohi-pihaonan’ny mpankafy ny kolotsaina sy ny teny Malagasy eto Frantsa.

Hatrany am-piandohana dia niahy ity fihaonana ity ny mpanao hoso-doko J.A. RAVELONA, sy ny solontena Malagasy eo anivon’ny UNESCO.

Andro lehibe hihaonan’ny vao mianatra ny teny Malagasy na ny kalaza ny fifaninanana sora-tononina. Eo koa no hahafahan’izy ireo mandalina ny tsipelina sy ny fitsipi-pitenenana ary ny voambolana miaraka amin’ireo mpampianatra sy mpikaroka ary mpakafy ny teny Malagasy:  

Atoa Pr Narivelo RAJAONARIMANANA : Linguiste, spécialiste de la langue malgache à l'Institut national des langues et civilisations orientales (Inalco), Paris

Rtoa Solotiana NIRHY-LANTO RAMAMONJISOA : Maître de Conférences, Inalco

Atoa Malanjaona RAKOTOMALALA : Mampianatra ao amin’ny Inalco

Rtoa Lanto ANDRIANJAFITRIMO : Mampianatra ao amin’ny Inalco

Rtoa Rivolalao RAZAFINDRAZAKA : Mampianatra ao amin’ny Inalco

Atoa François Xavier RAZAFIMAHATRATRA : Poety sy lehiben’ny fikambanana « HAVATSA UPEM France »

 « Landy » no foto-kevitry ny fifaninanana 2008. Amin’ity taona ity dia nofidinay ny « fihavanana » mba hifandraika indrindra amin’ny toe-java-misy any amin’ny firenentsika.

Ity ohabolana iray ity dia mampifandray ireo loha-hevitra roa ireo :

“Ny fihavanana ohatra ny landy: maty isika, ifonosana; velona itafiana; ka ny madilana arahim-panondro”.

Koa manasa anareo izahay handinika sy haneho ny hevitrareo momba ity ohabolana ity ao amin’ny blog http://soratonon2009.blogspot.com  

Ny fifaninanana Soratononina 2009 dia hatao ny 24 oktobra ho avy izao ao Montrouge : 

Amphithéâtre Pierre DARGENT 
Faculté de chirurgie dentaire 
1, rue Maurice Arnoux 
92 120 Montrouge  

Ny fifamoivoizana avy ao amin’ny porte d’orléans :

BUS RATP : 194 - 295 : Arrêt DEPINOY

Tramway T3 : Arrêt Jean Moulin  

Fandraisana anjara : 5 euros  

Fandaharana : 

14h00 : Fandraisana

14h30 : Kabary fanokafana

14h45 : Adina

15h45 : Fanitsiana

16h45 : Fotoana fahatsiarovana an’i Jarisoa RAKOTOARIVELO

17h00 : Fizarana loka

Loka maro no ho zaraina. Isan’izany ny hoso-dokon’i J.A RAVELONA.

Koa manantena anareo ho tonga maro ary izahay.

Aza misalasala manoratra anarana ao amin’ny: kolomalagasy@gmail.com 

Mandra-pihaona,

Ny mpikarakara ny Soratonon’2009

Comments:

1. Rakotonindrina Holiniaina

"Ny Fihavanana ohatry ny landy:maty isika,ifonosana,velona itafiana;ka na dia madilana arahim-panondro"


Iza amin-tsika moa no tsy mahalala fa an'isan'ny fototra mampiavaka ny malagasy eo anatrehah'izao Tontolo izao ny atao hoe fihavanana;Hita sy misongadina izany ao anatin'ity ohabolana voasoritra etsy ambony.
Raisina manokana eto fony faha-Andrianampoinimerina,mitafy lamba landy,hampihavana ny foko 18 manerana an'i Madagasikara aza dia sahy nilaza fa ny ranomasina no valam-parihiko; Izany midika fa mavesa-danja tokoa ny atao hoe Fihavanana aminy.Porofon'izany, ny fihavanana dia lamba ifonosan'ny maty mba hampifandray ireo izay velona,toy ny velona mitafy lamba landy hianjakaina rehefa misy ny fifaliana eo amin'ny fiaraha-monina.
Mandritr'izany anefa raha nisy ny fanitsiana nandritry ny fanenonana mba hahatsara tefy ny landy izay toy ny fihavanana dia nomen'Andriamanitra ratsan-tanana ianao toy ny fanondro mba hanitsy izay madilana.

Moa va tsy kely ny fahitan'Andranampoinimerina an'i Madagasikara teo an'ivony Fihavanana.

Add a comment







[*] Required