Sosokevitra momba ny takelaka

Submitted by: hery
On: 27/05/2009
In: Momba ny takelaka

Nohatsaraina kely ny takelaka. Toa ny teo aloha dia tsy miova fa mbola afaka mampiditra mpanoratra sy tononkalo ny namana tsirairay. Azo jerena eto ny lisitry ny tononkalo tafiditra ary eto kosa ny lisitry ny mpanoratra. Rehefa mampiditra mpanoratra dia azo atao ny mameno ny mombamomba azy sy mampiditra ny sariny. Ny mpitsidika moa dia afaka mametraka hevitra momba ny mpanoratra sy ny tononkalony. Toa izany koa, afaka manome isa ny tononkalo tsirairay. Raha misy sosokevitra dia apetraho eto ambany.

Comments:

1. fahamarinana

Tsara e sady misy lokoloko ihany koa ,manitona ireto masoko ! hihi !Hatreto aloha mbola tsy manana soso-kevitra aroso fa mankafy ny efa eto !

2. tslem

Mahafinaritra foana kah! tsy tadidiko intsony hoe ahoana moa ny taloha? ary angaha tsy misy ilay hoe "tohano ny tononkalo" moa izy izay raha tsy diso aho??? toa tsy hitako intsony iny.

3. hery

tslem> tsy dia nampiasain'ny olona akory iny dia naleo najanona

4. hery

Ary nisy olana kely teo ny fampidirana commentaires :-)

5. Atonamia

Nanandrana nametraka tononkalo za teo d otran n tsitako le izy.

D le mitady box v mety raha atao lehibebe fa otran n somary kely loatra?

Misaotra mihaino

6. Hery

Atonamia> Efa ok amin'izao. MIsaotra

7. Atonamia

Salut

Misy pb v le mametraka hevitra ?

A.

8. Hery

Atonamia> vao nandramako fa toa ok. Inona no olana?

9. maeva74

Mahafinaritra tokoa ilay takelaka vaovao ka midera ny mpiandraikitra , koa raha mba misy te hametraka sombintantara ve dia aiza no tokony hapetraka sa tsy azo hafangaro, tsetsatsetsa tsy haritra ka hialana tsiny raha diso adiresy

10. hery

maeva74> Angamba hanokafantsika zavatra hafa indray izany :-)

11. maeva74

Dia misaotra mialoha andriamatoa Hery amin' ireo asa ataonareo hamalifaliana ny Malagasy indrindra ireo lavin- kavana an-tany lavitra

Add a comment







[*] Required