EMBON (3R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maka toerana mangina
No mba takatry ny saiko
Rehefa injay mamely mafy
Ny alaheloko ny tiako.
Tava feno fahoriana
No mikitika ny aiko
Toa misompatra mibaiko
Ilay masoandrom-pifaliako.

Dia toloko lalandava
No fiainako isan’ando
Ny mamisavisa anao
No haiko tsy mba mampalaina
Ary ranomaso an-tava
No mba vatsiko ny atoandro
Ireo hirahiranao
No hany varisoa maraina.

Toa mirenty avao ‘ty tsiahy
Mitanisa ireo natao
Toa mijery horonan-tsary
Ny ao an’eritreritro ao.
“ilay tananao notanako,
Ny molotrao norohako,
Ny vatanao nofihiniko
Ireo maso nobanjiniko.”

Efa lasanao tontolo
Ilay fitiavana ato am-poko
Toa voafatotra, voafehy
Tsy hisaraka aminao.
Satria ianao mahay mikolo
Sy mifantina ny loko
Ankafiziko tarehy
Ary inoako fa tsy handao.

Efa nisy koa fotoana
Nifanaovantsika dina
Nametrahana ny tanjona
Natao kisarisary
Antenaiko fa tsy ho foana
Izany koa no faniriana
‘lay tokantrano fahasoavana
Natolotr’I Nahary.

Hatramin’ny “jardin d’amour”
Hatreny Amboniatsimo be
Na ny lalam-pirenena
Sy ny havoana Andohavary.
Ireo no vato fehizoro
Fahatsiarovana lehibe
Ilay FITIA vao nambolena
Nefa mamy noho ny fary
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Alahelo - Fitiavana
1538 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : 3R
Nampiditra : VOLAFIHA.
Daty : 13/11/2015 07:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145