LASA (Ny vodilanitra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lasa tsy nilaza,lasa tsy nanao veloma
Lasa'izy mantsy ka irery eto am-pikaloana
Irony sisa mba tadidy,sombisombiny ihany
Fa ny tena izy,efa lasany any

Mitanondrika irery manoloana ny taratasy
Mihazona ny penina,handraketana ny lasa
Hanangona ny very ho entina ho vatsy
Hiatrehako ny anio,hampitrakako ilay fo maratra

Eny e!tsapako ihany'lay fitia,tsy haiko hadinoina
Reko mangina fa niniako tsy nohenoina
E!lasa'izy mantsy ka nofinofy ilay faniriana
Ilay fitia nomeny ahy,tsy naharitra hafiriana....
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1141 2
Mpakafy: AsLamy - MAJF
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny vodilanitra
Nampiditra : MAJF
Daty : 28/05/2016 11:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013