You are here: home > Vetso

« ANY MANTSY IZAY I DADA » - A.N.T.L



Indrisy mantsy  dify ilay maraina
Lasa lavitra any ilay  nantenaina
Zary fahatsiarovana ireo niainana fahiny
Fa fasana no mba azy ankehitriny

Any mantsy izay i Dada
Eo anilan-dRay , sambatra aok`izany
Nilaozany ity sombiniaina
Nafoiny  koa ny tany
Fa raha mba azoko natao
Ny mba nitana anao
Tsy nandao ity akany
Ho lasa any lavitra any

Malahelo, ontsa ny foko
Rehefa tonga ny fetin'ny Ray
Miarahaba ny azy ireo ankizy
Ary mba aiza ny ahy ?

Oviana anefa vao hiverina indray
Efa lasa tanteraka ilay tia anay
Saingy ny soa vitanao ry Dada
Tsy ho adinoko mandrakizay

Dia izao ny farateniko :
Indray andro any isika mbola hihaona !


Andriatiana Tsanta Niaina



Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : A.N.T.L


Nampiditra : A.T.N.L
Daty : 15/04/2019
Mpamangy : 413
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

Fianarana = Fiafiana
« Ry fahantrana »
« DADA SY NENY »