You are here: home > Vetso

« DADA SY NENY » - A.N.T.L

                               « DADA SY NENY »

Tamin’ny mbola kely raha vao nianatra niteny
Dia ny hay voalohany dia nibada DADA sy NENY
Izy ireo no nitaiza hatrany , nitrotro sy nibaby
Any tokana mpampitsiky ahy , rehefa marary aho na manavy

Niteny izy tsy mba nohenoiko akory
Noraisina ho tsy fitiavana , fa manorisory
Fa dia nitaiza hatrany , nanoro sy nanitsy
Ahatonga ahy olom-banona , handeha @ lalana mahitsy

Fa fitiavana hafa mihitsy raha ny an’i DADA
Na dia hoe mibedy lava sy mivazavaza
Ilay mpanao tsangory sy tia manolokolo
Dada mahafinaritra , masiaka be ronono

Fa raha ny an’i neny dia hita tena miavaka
Mpikarakara tokantrano , sady tia mivavaka
Izy no nitrotro sady nampinono
Ilay fitiavan-dReny tsy misy mahasolo

Ka eto amparanana dia indro izaho milaza
Dia misaotra betsaka an’i neny sy dada
Nanome torohevitra , niteny sy nananatra
Ahatonga anay modely , ahatonga anay fitaratra

Jesoa ! mba tahio ilay DADA tiako , omeo fahasalamana
Dia ny ditrako izay vitako hatrizay ho soloko fanajana
Ka Ianao re no hitsinjo , dia Ianao ko no hijery
Dia omeo fahasalamana feno hatramin’i NENY
Mpanoratra : Andriatiana Tsanta Niaina Luc

Hafatra ho ahy sy ho anao :
_ izany rehetra izany dia fitiavana avokoa
_ nomeny antsika zanany ahatonga antsika ho soa
_ dia hajao hatrany ny ray aman - dreny
_ satria raha tsy eo intsony izy iza indray no afaka hiteny



Sokajy : Fianakaviana

Mombamomba

Mpanoratra : A.N.T.L


Nampiditra : A.T.N.L
Daty : 15/04/2019
Mpamangy : 115
Mankafy : 1
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

« Ry fahantrana »
« ANY MANTSY IZAY I DADA »

Hametraka hevitra

Midira aloha