Biriky manga, biriky mena (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Endrey ny fahiny nandrafitr’ ireo lasako
Fony aho vao erotrerony tsy dia nahalala
Ireo hadalàna maro nampifandimbiasako
Tsaroana ankehitriny vao tsapa fa tsy tsara

Ny zaza am-pitomboana raha ratsy volavola
Dia toa biriky mangamanga tsara voatra ara-dasitra
Nefa tsy ampy tanika afo ka ho vaky moramora
Tsy ho azo andrandraina hanorenana maharitra

Ny biriky mena kosa anefa tsy mba azoazo foana
Fa kolokolo, sedran’afo no nahavanona azy ireny
Koa raha ny taiza fony zaza no nahitana babangoana
Moa va hahagaga raha ahitana lesoka ombieny.

Ireo tranga maro nifanesy nitambatambatr’ho tantarako
Nifangaroana biriky mena sy mangamanga sadasada
Dia lasa boky novinidy lafo ho lesonin’ny taranako
Ho tari-dalana ho azy tsy ho isan’ireo hibabababa.

26-Sept. 2017
--------
Rohy:
700 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148