Tsy tonga ianao... (ABS)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nanjombona ny tavako
Maizina ny lalako
Fa tsy nahita anao…
Nangaina ny fijeriko
Nitombo koa ny feriko
Fa tsy nahatsinjo anao…
Torovan‘alahelo
Ny fo mpamelovelo
Tsy nitafa taminao…
Ny molotro nihamaina
Lanaka ny saina
Nanantena hitojo anao…

Kanefa moa raha teo ianao
Tsy ho badenina ny saiko
Nipararetra ny aiko ?
Nihovitrovitra aho ?
Vao mainka koa ny vava
Hikombona tsy halaza
Fa mainka hipararetra
Hatrany anatiko rehetra…
Kanefa moa raha teo ianao
Ny fijeriko ho sahy?
Ny gadrako hivaha?
--------
Rohy:
2219 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ABS
Nampiditra : sentosento
Daty : 11/05/2012 11:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145