MPIHETRAKETRAKA (ADR)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MPIHETRAKETRAKA

Mendrika hohelohina, mendrika ho faizina
Mendrika hosaziana, hitoetra anaty haizina
Mendrika hadinoina, ny olona ohatr’anao
Tsy tiako ho hita intsony, ny salovatavanao

Mendrika kapohina, nefa tsy amin’ny hery
Kapoka iray mafy, tsy amin’ny hazo velively
Mendrika kapohina, mba hahafantatra taraina
Kapoka iray mafy, hihatra hatramin ny aina

Mendrika anao, ianao r’ilay mpisitaka
Raha hivaly aminao, ny lainga sy ny fitaka
Mendrika anao, ny ranomaso sy tomany
Mba ho fijaliana foana, ny fiainanao ety antany

Mendrika anao ireo, ianao ry vonikazo
Fa iriako koa ianao, ho vetivety dia halazo
Mendrika anao aza, ny hofongorina tanteraka
Mba ho faty am-poko koa, ny anaranao
ry MPIHETRAKETRAKA!

adr
message
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1888 2
Mpakafy: fiononana1 - isangojy
Hevitra mandeha
litamour ( 29/11/2008 13:28)
nahoana no masiaka
nahoana no mitroatra
nahoana ?
hadino ve 'reo mozika
s'ireo teny mamy niloatra?
niarahana nitafa?
sa efa mafy loatra?
nahoana?..
lamour.
idealy22 ( 17/03/2011 11:56)
aza manozona azy kosa e.tsy fidiny azy ireny fa ataovy tsara ny fanadihadiana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ADR
Nampiditra : isangojy
Daty : 29/11/2008 05:32
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151