O ry vorona manidina (Agasylama)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
O ry vorona eny ambony, manidina, mandalo
Mba andraso kely anie fa aza dia mimalo
Indro misy hafatra mba omeo ilay malala
Ka tandremo tsy ho very dia faingàna sao ho tara.


“Raha ny fo no lavi-tiana ? Matetika misento.
“Maika aho ny ho anilanao ka hanao dingan’i Rapeto”
O ry vorona o, ambarao azy izany fa mila tsy ho zakako.

“Lavitra ahy ianao anio, eny tsy mba eto an-tratrako
“Fa na dia lavitra aza anio, tsy manadino anao ry tiana
“Satria miandrandra ny anilanao, hianoka hafaliana”

“Ny foko manirery, ny tomaniko toa tsy ho ritra.
“Ry malala tsarovy izany ka aza mba maditra
“Fa na rano lalina, na tendrombohitra, na havoana
“Tsy hasakana ny fo izay te hihaona.”


“Ny tsikinao malefaka, ny tarehinao tomaratra
“Ny fitiavanao tsy ritra, ny masonao ankamantatra
O! ry olon-tiana, ry malalako tsy foiko
Na oviana na oviana dia tsy mba misy ho adinoiko.”

“Tsy lefin’elanelana ny fitiavana, malala
“Ka matokia ianao satria ianao mahalala
“Fa ianao no any tiako”

“Eny, Ianao no any tiako, nofidiko
“Hiara-dalana amiko, hamakivaky ny fiainana
“Hifampizara na fahasambarana na ny fitarainana.”


Ampy izay angamba ,o ry vorona mandalo
Faingana re ianao, mivonona himalo!
Ataovy tonga ny hafatra, omeo ilay malala
Tandremo tsy ho very, fainganà sao ho tara
--------
Rohy:
2281 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Agasylama
Nampiditra : Mijamiary
Daty : 23/07/2012 19:13
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131