Asa angamba!!!!! (ahi)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Soa fa nisy ny endrikao nampita tsiky vaomaraina
nahamirana ny foko rakotry ny adin-tsaina
He lay androko mipaika dindon-drahona sahady
vao nahita ny endrikao: dia nandresy tsy mba niady

Soa fa nisy ihany koa ilay feonao nanako
Na tsy tendry ho ahiko aza dia nanaitra toy ny antso
K'ilay saiko efa trotraky ny ankaso miankany
vao nandre ny kalonao dia... miramirana aok'izany

Soa mantsy, soa indrindra nisy diam-peninao
Tsy nameno pejy akory nefa tsapako, eny, izao
Fa... nisy hery tsy hay fefena nofohaziny tanaty
Herin'ny fitia mangina nokobonina tsy maty

Soa tokoa fa nisy ireny
Na dia vita tsy an-kiteny
Soa tokoa ireo nitranga
Rah' tsy 'zany....asa angamba???
--------
Rohy:
1818 2
Hevitra mandeha
andriary ( 04/02/2005 13:13)
ommm!tsy ratsy fa tohizo!
SOBIKA ( 04/02/2005 13:52)
ountsôooooo
soa fa teo izy nitondra hafaliana
soa fa teo izy nanala hakiviana!
soa fa nisy ny andro vaovao mba hamantaranao fa hay....
tsara sady mamy ny fiainana eto antany ..
soa fa teo izy nampatsiahy izany.....
So
vanjanofy ( 04/05/2007 14:31)
Soa ihany koa fa nisy soratsora-maminao
nahatonga ahy hivetso sy hanoratra toy izao
tononkalo tsara rindra iray namelombelona ahy
nisintona fisainana sy nanainga ny fanahy
vanjanofy ( 10/05/2007 11:36)
Soa ihany ianao nanaiky nitanisa hatsarana
ka namongatra tsiahy entiko hitantarana
ny hakanton’ilay tiako izay nilaozako any ho any
ao an-tsaiko lalandava k’andrianiko aoka izany!

Ny hakantony mambabo amin’ny lafiny rehetra
ara-tsaina sy ny fomba ny fiteny sy ny toetra
no iriko hokaloina sy dradraina ombieny ombieny
tiako ho velona eto an-tany ka fongariko amin’ny teny!

Soa ihany ianao nilaza ary tena nanambara
izay hoe kanto tazanao avy tamin’ilay malala
nofinidinao am-po ho hany raki-tsarobidy
notiavinao tokoa tsy nasanda na voavidy!

Ny hatsaràna voatantara hitanao namelon’aina
no nibitsika tam-poko ary tazako ao an-tsaina
ny fitsiky izay nambabo sy ny feo nikalokalo
hay nananako ihany koa fa izaho no tsy nahatsiaro

Ka soa ihany ho’aho ianao nanaiky nitanisa
fa ny kanto tazanao, niainako ‘zay tsy nahita
soa fa teo ianao nilaza raha tsy izany asa angamba
tsy nisokatra ny saiko sy ny masoko efa jamba!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ahi
Nampiditra : ahi
Daty : 03/02/2005 16:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093