NY FIVERENANAO (Aina Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FIVERENANAO

Raha ny ronjon’ny tomany,
Noho ny fandehananao,
Moa hahaonitra izany,
Ny fiverenanao ?

Raha ny ratram-poko,
Ny jaly sy adin-tsaiko,
Ny banga nofenoiko,
Ny mafy nozakaiko…

Ary ankehitriny,
Miverina ianao,
Tena tsisy tsiny,
Saingy henoy izao :

Efa misy solonao,
Efa misy tena tiako,
Olon-tiako vaovao,
Izy izao no fifaliako.

Tsy fifaliako intsony
Ny fiverenanao,
Ny foko efa tony,
Tsy nahatsiaro anao…

AINA NIRINA
(05 aogositra 2014 tamin’ny 13 :50)
--------
Rohy:
1125 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 19/12/2014 03:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01