NY TONTOLO MAITSONTSIKA (Aina Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TONTOLO MAITSONTSIKA

Niverenako indray ilay toerana mangina izay nampiarahantsika,
Tamin’ny tara-masoandro tena feno hazavana sady lavitry ny hatsiaka,
Teto isika no sondriana : teto ambony ahi-maitso, ahitra nilenodenoka,
Teto isika no nitafa sy nianoka fitia tamin’ny nofy naharenoka…

Gaga aho fa tany hay sy hazo vitsy feno tsilo no mba hany sisa tazana,
Ny tontolo maitsontsika efa ripaky ny afo, zary lasa tany ngazana,
Tany mena nentin-drivotra no nanditsoka ny masoko sy nandrakotra ny tavako…
Te-handitsoka ny foko sy hamerina ny tsiaroko fa hoe rava ilay fitiavako…

Izaho ity mitady aretina ka mamangivangy indray ilay tontolo maitsontsika…
Zary toa tontolo mena, misy masoandro takona, masoandro mangatsiaka…
Tena tapa-kevitra aho fa hohadinoiko hatreto izay fitiavantsika izay,
Fa ny maitso lasa mena, ilay tontolo sisan’afo : ilay fitiavana efa may…

AINA NIRINA
(11 oktobra 2014 tamin’ny 20 :24)
--------
Rohy:
1403 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 23/11/2014 10:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138