SOMBIN'I AINA (Aina Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sombin’i Aina
(lohatenin’ny boky havoakan’i Aina Nirina atsy ho atsy)

Sombiny amin’ny aiko
No notazako ho anao hankafizanao ny tsirony,
Ny foko sy ny saiko
No nampiaram-peo hiangaly ny filirony,
Ny korisam-peniko
No arantiko aminao ny rehitry ny jirony,
Ny hatsotran’ny fiteniko
No hanampy tosika ny zavan’ny fanilony…

Nezahiko ho tsotra
Mba ho takatrao ny hevitra lazaiko ,
Kanto te-hizotra
Ho any an-tsahan’ny nofy ny kalo nohiraiko.
Tiako ianao ho babo,
Hianoka hasambarana amin’ny sombin’ny aiko,
Tiako ho voatsabo
Ny sentonao niserana nila tsy ho voabaiko…

AINA NIRINA
(06 novambra 2014 tamin’ny 20 :36)
--------
Rohy:
1309 0
Hevitra mandeha
aina.marie ( 21/11/2014 06:01)
somary sarotra kely ry AINANIRINA a!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 20/11/2014 19:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146