TANTARANTSIKA (Aina Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TANTARANTSIKA
(tantaran’ny namako iray narafitra ho tononkalo)

Hafahafa ihany akia ity tantarantsika ity :
Efa an-taona maro isika no nifankatia,
Niara-nifanjohy, nefa ankehitriny
Hivady,hono, ianao sy iny olona iny…

Marina izy iny fa olo-manam-bola,
Manana ny ampy ho entina midola,
Dia tena sahinao ny nanitsaka ny antsika,
Ka ny voadintsika toa novànao dika…

Nalamiko ny foko, aleo isika hisaraka,
Na dia mbola tia sy tena te-hiaraka…
Nefa ianao indray no nandà ny fisarahana,
Fa hoe hotohizana ihany ny fiarahana…

Rehefa vita izany ny mariazinareo roa,
Ianao hitia ahy, nefa fy koa ny aroa,
Ny antsika no hanjary fitia angalarina,
Fa ny anareo indray no fitia tena marina ?

Miady be ny saiko tsy hita izay hatao,
Izaho ilay te-hisaraka raha vao lalovanao,
Dia indro indray fa roboka miaraka aminao,
Satria mbola tia ka tsy mahafoy ny handao…

Tsy noraisinao ny tso-drano izay natolotro,
Fa mbola orokoroka no natohokao ny molotro…
Ianao anie tsy anjarako e, nefa mbola orohako !
Miady be ny saiko, fanina ny lohako…

AINA NIRINA
(29 septambra 2014 tamin’ny 21:57)
--------
Rohy:
1506 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 23/11/2014 10:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146