TIA (Aina Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIA

Niserana toa nofy
Ny maso nifanopy,
Narahin-tsiky kely,
Ka mainka nihanahery
Dia mody tsy niraika,
Kanefa efa maika,
Satria tany am-po :
Efa tena TIA tokoa...
Dia mody hoe moana,
Rehefa manoloana,
Nefa te-hiteny foana :
Hoe TIA, tena TIA...
Te-hanome FI TIA :
Fitia tena FY,
Sy hanome FO TIA,
TIA ka te-hinia
Ny hiara-dia…
Dia mody nila resaka
Ilay fo manahy hitresaka
Raha sendra tojo TSIA
Fa raikitra FITIA :
TIA ka te-hiteny
Hoe mba omeo ny ENY…

AINA NIRINA
(15 desambra 2014 tamin’ny 21 :10)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1208 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 19/12/2014 03:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136