TSELATRA (Aina Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSELATRA

Mijojo mafy ny orana,
Mipatraka ny olana,
Tsy ilaiko intsony ny elo,
F’efa hotsak’alahelo
Ny amiko tontolo :
Avelao hikoro…
Ny tongotro mamindra
Tsy zakako afindra,
Fa sendra tojo fotaka
Ka efa saika potraka…
Mianjera ny faniloko,
Maty teo ny jiroko,
Mainty koa ny lanitro fa tsy mba misy kintana…
Izaho mihitsy ve no efa ratsy vintana
Sy tena mila faizina ?
Manjakazaka ny haizina…

Kinanjo…
Iny misy tselatra
Mandalo indray mihelatra
Mamakivaky lanitra :
Mangiaka hazavana ny tendrony maranitra…
Ny masoko jambena,
Manjary manantena
Fa hay ka mety hisy hirika hazavana
Hamiratra tsy tana,
Handravaka ny ampitsoko,
Afaka handresy ny herin’ny haizim-pitoko…
Atrakako ny lohako, ahiratro ny masoko…
Tohizako ny ady amin’ny ankasoko !

AINA NIRINA
(03 novambra 2014 tamin’ny 20 :48)
--------
Rohy:
Sokajy : Ady - Alahelo - fiainana
1058 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 12/12/2014 04:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141