You are here: home > Vetso

embona - AINA77

Arivariva antanin’olona
Singatsinga manirery
Tapakevitra aho fa amorona
Fa tsy asiko lohateny

Teo ambaravarankely
Ra vao tonga ny maraina
Siontsiokam-boronkely
Mamelombelon’aina

Tsy adinoko amin’izany
Ny mangatak’amin’i Ray
Ilay nanao ny tany
Mba ho soa mandrakizay

Rehefa vita nefa izany
De alefa indray ny saina
Ho vita ve ny androany
Sa  mbola hisy ny taraina

Eto ampanoratana ny tena
Mandefa saina any ho any
Ka manontany tena
Nahoana no nisy ny tomany

Na izany aza anefa
No zavatra mitranga
Tsy omeko tsiny ny Mahefa
Fa samy manana tantara

Ra faly ianao anio
Mety mbola hitomany
Izao  anefa no tadidio
Solafaka foana ra mandia tany

Ho faranako angamba
Ny vetsovetsoko mangina
Ko samia samy tsara
Mbaho tojo zay hirina

Tononkalo voaforona  tsy nahy
Tany ny hoany ra sendra irery iny
Ka hita fa nahababo ny fanahy
Ataoko fa tsy hisy ny hanome tsiny

AINA77  


Sokajy : embona

Mombamomba

Mpanoratra : AINA77

Nampiditra : AINA77
Daty : 28/02/2008
Mpamangy : 1221
Mankafy : 7
Ankafizo

Tononkalo hafa

Raha
Andyh & Rhiady
vavaka
tsiaro nandalo
anatin'ny bika
misy takona
alina
indray andro ee
fitia fahiny

Hevitra mandeha

endrika01 (08/05/2008 12:41:54)

mmmmhhh,tena mambabo fo tokoa!

mahandrytsiory (10/11/2017 09:37:13)

ndry

Hametraka hevitra

Midira aloha