You are here: home > Vetso

iny hatsarany iny! - ainga fitia

iny hatsarany iny
tsy ho azonao fihinina
fa fotsiny banjinina
an'eritreritrao mangina,
mantsy izy sendra nandalo,
mpivahiny fotsiny ihany
ka raha iny no hampikalo
toa rediredy ihany izany...
ka aza iniana hatokana ho azy
ny fitiavanao rehetra,
fa ndrao mantsy ho lasa sazy
anatinao tsy hanam_petra!
dia manokana minitra farany
hisentoanao ho azy iny,
ary hadinoy toy ny anarany
iny hatsarany!

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : ainga fitia

Nampiditra : miangaly3
Daty : 10/08/2018
Mpamangy : 174
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

miandry anao!
hetahetan'ny fo!
tsy mety ho fay!

Hametraka hevitra

Midira aloha