i neny - Aino
vehivavy fiangotiana
mamy sady fitosiana
tsotra,manam-po malemy,
io no antsoina hoe: i Neny.
Fony izaho mena vava,
Tsy nahay niteny dada,
Dia i neny no nitahy,
Nampisava ny ahiahy.
Fony tsy nahay nisotro
Dia i neny no nitrotro
Nampinono sy nibaby
Izany no isaorako azy.
Teliko sy tena nmamy
Ny soa rehetra sesilany
Taminao ry neny tiana
Loharano niaviana.
Zao no teniko aminao
Ory neny tsy andao
Dia misaotra anao tokoa
Nanabe sy nanasoa.
Tsy mba izay volamena
No hatolotra, homena
Fa fitiavana madio
No atolotro anio.
Tsy ho hadinoina
Ny asa vitanao, ry neny.
Tsy mba haiko hovonoina
Ato am-poko izy ireny.
Tononkalo hafa
ny fitiavako anaotiako nefa
efa tsy anao hintsony
Misaotra
tsy misy toa anao..
Nakaiza lahy
Tsiaro
Mandrakizay
maminko ianao
Ventsoko
Hevitra mandeha
fiaritiana (23/05/2006 19:38:30)
tsara be na dé fohy aza!!tohizo e!
zemjos (09/01/2010 08:38:10)
Mety tsara fa manantena ny fanohizana indray satria Kanto ary tena aingam-panahy vao nisandratra ka mankasitraka anao .