ny fitiavako anao (Aino)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izao andro anio izao
No fotoana fohy anambarako aminao
Fa n’iza n’iza teto an-tany
Tsy mbola notiaviko tahaka anao izany

Malahelo ianao, izaho no mitomany
Manina ianao, izaho avy no marary
Ny manodidina ahy tsy hitako akory
Fa ny endrikao no manaloka izany

Na lavitra ahy aza ianao
Ny foko tsy mitsahatra mitepo ho anao
Ny fitiavako anao aza vao miha-mitombo ihany
Toa mandoaka milentika any anatiko any.

'Zaho aza mba manontany tena ihany
Fa nahoana re ny fitiavako anao
No dia mahery tahaka izany?
Ka mampalasa adala sy mampitomany.

Izaho malala tia tena tia,
Tsy sangy ny ahy fa tena fitia
Ary efa lalim-paka ny fitiavako andry
Ka dia vonona aho ny hiaraka aminao ho doria.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
5401 1
Hevitra mandeha
carinamihary ( 26/03/2012 06:32)
ko raha tsy miaraka dia ahoana?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aino
Nampiditra : Aino
Daty : 14/02/2009 10:48
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109