Diam-peniko (aladin)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ireny diam-peniko
No misoritra toloko
Tsy sanatria hamendrofendro
Fa hiaka lalina ao am-poko

Raha alahelo no ambetin-teniko
Tsy fitarainana tsy akory
Fa izy ireny no ventesiko
Satria ny lasa tsy tiako hatory

Tsy foiko ho adino ireo toloko
Na nampahory aza tsy ariako
Fa hikoloako ny ambom-poko
Mba tsy ahasolafaka ahy ampitso

Dia hiaraka amiko eny koa
Ny tandindon'ireo jaly
F'ireny no hanamafy fo
Ka hampitraka ahy hatrany

Fa hitodihana ny lasa
Mba hahatsara izay kinasa.

Rado.T.A. na aladin
--------
Rohy:
1535 3
Mpakafy: sarondrahona - aladin - booboo
Hevitra mandeha
NyKanto ( 27/05/2004 12:09)
Tsara dia tohizo , mankasitraka eh!
aladin ( 27/05/2004 14:19)
misaotra indrindra รดรดรด!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : aladin
Nampiditra : aladin
Daty : 27/05/2004 11:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143